Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 16h38
 

Malagasy

Fanodikodinana olona

7 taona tsy hitan-dreniny

samedi 24 mai 2008 |  813 visites  | Hery A.

Nandritra ny 7 taona no tsy navela hifanatri-tava amin’ny zanany ny renim-pianakaviana iray avy any amin’ny faritra Vakinankaratra iny.

Tamin’ny taona 2001 no nalain’ny ramatoa iray ny zazavavy 12 taona, zanaky ny zaobaviny, ka nasainy niasa taman’olona. Ar 10 000 isam-bolana no karama tamin’izany. Tsy raisin’ilay zazavavy miasa anefa ny vola fa alefa any amin’ny ray aman-dreniny. Nangataka ny hahita tava ny zanany ilay ramatoa saingy rehefa manatitra ilay karama Ar 10 000 ilay ramatoa nanera an’ilay zaza dia ambarany fa tsy azo jerena izy fa mpiasa ambony ao amin’ny fitsarana ny olona mampiasa azy. 7 taona anefa izay no lasa, mbola tsy nahita an-janany ity ramatoa ity.

Mampihorohoro

Amin’ny ankapobeny dia matahotra ny fandrahonana ny renin’ilay zazavavy ka niharitra hatramin’izao. Tsy zakany anefa ny alahelony ka notantarainy amin’ny mpiara-monina. « Tsy fantatra na maty na velona ny zanako ! » hoy ity ramatoa ity. Nambarany moa fa vadin’ny anadahiny no naka ilay zaza tao aminy, ary toa hoe miasa ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ao Anosy ao. Tsy sahy mandray andraikitra manoloana ny fandrahonana koa ny mponina ka hany herin’izy ireo dia nanoro hevitra amin’ny tokony hanatonany ny mpitandro filaminana.

Fanodikodinana olona

Azo adika ho fanodikodinana olona ity seho ity, izay dradradradraina fatratra amin’izao fotoana izao. Ataon’ny sasany biby fampitahorana ny mpiasan’ny fitsarana. Raha ny marina anefa dia sarotra amin’ny mpitsara mpampihatra lalàna ny hampiasa zaza tsy ampy taona izany. Efa 19 taona moa izany izao ity zazavavy tsy hita ity. Azo antoka fa mba te hifanatri-tava amin’ny fianakaviany koa izy saingy toy ny gadra no azo ilazàna ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao.

Amin’izao fetin’ny reny ho avy izao dia tsara ny manamarika fa mbola betsaka ny reny ianjadian’ny tsindrihazolena tahaka ity tantara ity. Na izany aza dia misy koa ny reny tsy vanona ka tsy mahalala ny fahorian’ny reny tahaka azy.

Miandry izay mba afaka hanampy azy ity renim-pianakaviana ity amin’izao fotoana izao ka mba ho fanomezana lehibe ho azy amin’ny fetin’ny reny ny fahitana ny salovan-tavan’ny zanany, efa nafoiny taona maro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS