Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h32
 

Malagasy

Antanifotsy

Naloan’ny mponina ny TIM

jeudi 27 décembre 2007 | Hery A.

Tsy mba toy ny teto Antananarivo renivohitra no nandoavan’ny mponin’Antanifotsy ny kandida natolotry ny TIM tao amin’ny kaominina Antanifotsy, distrikan’Antanifotsy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo fa tena tsy fahafahampo amin’ny zava-bitan’ity antoko ity hatramin’ny nitantanany ny tanàna. Ela no nimenomenonana amin’ny lafiny fampandrosoana rehetra saingy iny fifidianana iny no fotoana nanehoana hevitra ka dia io niharihary io. Diso fanantenana ny antoko TIM satria nihevitra ho lany avy hatrany, kanjo lasan’atoa Rabevason, kandida mahaleo tena ny toerana. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka no nampahatsiahy ny mponina fa tsy mahavita na inona na inona ny TIM saingy noho ny herin’ny volabe niparitaka tamin’ny propagandy dia tsy sarotra ny nandresy lahatra ireo mponina tany ambanivohitra ka nahalany ny kandida TIM. Marihana fa ny vato teo an-tampon-tanàna dia tsy nahalany ny kandida TIM saingy navotan’ny fahafahan’ny kandida nitety ny ambanivohitra izay tsy voasongon’ny kandida nifanandrina noho ny tsy fahampian’ny nenti-nanana.

Ankehitriny dia namantana asa tsy vita maro ity ben’ny tanàna vaovao ity raha tsy hilaza afa-tsy ny fandoavana ny volan’ny Jirama, raha te hamerina ny jiro sy rano efa notapahan’ny JIRAMA. Andrasana ihany koa ny fanatanterahana ireo programan’asa nandresy lahatra ny mpifidy. Tsy manaiky kobaka am-bava intsony mantsy ny vahoaka, ary na ireo zanakampielezana mila ravinahitra ivelan’ny tanàna aza dia hanaraka akaiky ny fampandrosoana ao an-toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS