Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h54
 

Malagasy

Akom-pifidianana : Anosizato Andrefana

Nidina ny herin’aratra, niasa ny labozia

jeudi 13 décembre 2007 | Hery A.

Ny kaominina Anosizato andrefana no niavaka indrindra izay nahitana kandida miisa 3, samy vehivavy avokoa dia i Ramatoa Rabehaja Hanta sy ramatoa Laurence ary i Mama. Miisa 8 ny biraom-pifidianana ka ny 4 dia teny amin’ny EPP Anosizato andrefana, ary ny 4 teny amin’ny sekoly katolika Anosizato Andrefana. Tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana dia nidina ny herin’aratra ka tsy nahazaka ny jiro, ary voatery nampiasa labozia. Vokany dia tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any no fantatra ny vokatra tamin’ny biraom-pifidianana 3 ka ny roa dia ny TIM no nitarika, ary ny tamin’ny biraom-pifidianana iray dia faharoa ny TIM. Mifanahatsahana amin’ny vato azon’ny Kandida Laurence anefa izany satria nitarika hatrany ity farany teny amin’ny biraom-pifidianana 4. Anio no ho fantatra mazava izay ho ben’ny tanàna eny Anosizato andrefana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS