Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 12h02
 

Malagasy

Ampefy : voka-pifidianana nifamadika

Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina

vendredi 4 janvier 2008 |  619 visites  | Hery A.

Nofantsihan’ny fokonolona ny varavaran’ny kaominina Ampefy nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo ben’ny tanàna vaovao ao anatin’ny faritra Itasy omaly alakamisy. Tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana no ametrahana ireo ben’ny tanàna ireo, ka tamin’ny fandalovan’ny delegasiona tao Ampefy dia nanao fihetsiketsehana ny mponina izay tsy nanaiky ny nametrahana ny ben’ny tanàna avy amin’ny antoko tim. « Tsy hanaiky izahay fokonolona na hisy ra mandriaka aza ». Nambaran’ireo fokonolona fa Rakotoarimanana Patrick Olivier, kandida avy amin’ny fikambanana « Ezaka Ampefy » no nahazo salan’isa 51,56% tamin’ny vokatra tsy ofisialy saingy ny vokatra ofisialy navoakan’ny fitsarana dia Randrianarilahy Fidiarivony kandida natolotry ny TIM no nahazo ny salan’isa 59,65%. Ben’ny tanàna teo aloha io hoy ny fokonolona izay tsy nahavita na inona na inona. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nofoanan’ny fitsarana ny biraom-pifidianana miisa 3, na dia nanamarika aza ny mponina fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana, ary mbola nohamafisin’ny lehiben’ny distrikan’i Soavinandriana fa biraom-pifidianana iray no nisian’ny herisetra. Nanontanian’ny mpanao gazety moa ny minisitra lefitry ny Fahasalamana izay mpiahy ny faritra Itasy nefa nilaza fa tsy nahita fihetsiketsehana tao Ampefy, tanàna nolalovany. Manoloana izany dia nitombo ny fampitandremana nataon’ny fokonolona ka nambaran’izy ireo fa na tsy hosokafana ny biraon’ny kaominina na averina amin’ny laoniny ny vokam-pifidianana izay nanana taha ambony tokoa,hatrany amin’ny 64,85%. Efa nanambara kosa ity ben’ny tanana natolotry ny TIM fa hametram-pialana ka hanolotra ny toerana ho an’ny « Ezaka Ampefy ». Tsapany mantsy fa tsy hisy fampandrosoana vanona eo satria manana mpanolon-tsaina miisa 4 izy, raha 3 ny an’ny TIM. Miandry ny valin’ny fitarainana ny mponina vao hisy fampandrosoana ao amin’ny tanàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS