Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 02h20
 

Malagasy

Analakely : Sary pika

Tsy dia nandeha ny tsena

jeudi 3 janvier 2008 |  443 visites  | Hery A.

Ireo mpaka sary sisa no mamita ny asa tsy vitany tamin’ny fetin’ny krismasy sy faran ‘ny taona iny ka nahazoan’izy ireo alàlana hijanonany eo amin’ny araben’ny Fahaleovantena Analakely sy eny anoloan’ny gara Soarano. Amin’ny ankapobeny dia miandry ireo olona naka sary izay mbola tsy naka ny sariny ireto mpaka sary ireto izay manodidina ny 300 eo no isany.

Eo ihany koa ireo mbola miala sasatra ka tsy afapo loatra tamin’ny fakana sary fahatsiarovana, no mbola mankeny Analakely manatanteraka izany. Ar 1000 no vidin’ny sary iray mirefy ( 10 x 15) ka ora vitsy dia vita ny sary, saingy ny mpanjifa no lavim-ponenana ka tsy afaka miandry.

Hatramin’ny nanombohan’ny fety dia tsy nahenoana olana loatra ireto mpaka sary ireto ary mahavita tsara ny sary ilain’ny mpanjifa. Tamin’ny taon-dasa mantsy dia betsaka ny mpanjifa velon-taraina noho ny nafitsoky ny mpaka sary sasany. Alain’izy ireny ny volan’olona dia tsy hita izy. Hentitra ny fanaraha-maso tamin’ity ka niray hina ireo mpaka sary nijery akaiky ny mpisompatra.

Tsy dia tsara anefa ny tsena satria saika efa manana irony fakan-tsary « numérique » sy finday misy fakantsary irony ny ankamaroan’ny olona, hany ka saika ny sarangan’olona tsy dia manana no nirona tamin’ny fividianana sary. Aorian’ny fialan’ireo mpaka sary eo Analakely dia samy hamonjy ny toerany andavanandro izy ireo toy ny etsy Ambohijatovo, Analakely eo amin’ny tsangambato Ralaimongo sy eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Misy koa no miasa eny amin’ny zaridainan’Ankorondrano sy eo amin’ny tetezana ambonin’ny arabe etsy Anosibe.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives