Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 05h20
 

Teny zato, kabary arivo

Miova loko...

jeudi 3 janvier 2008 |  814 visites  | Hery A.

Hatramin’ny niovan’ny fitondrana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra farany teo dia tsikaritra fa miova loko ny tanànan’Antananarivo. Miha takona ilay lokon’ny Kaominina mavo sy manga hatramin’izay, eny hatramin’ny nitantanan’ny olon’ny AKFM KDRSM ny tanàna. Tsy nisy naharatsy an’io loko io izay nokojakojain’ny ben’ny tanàna sy PDS nifandimby.

Nampakatra avo ireo lokon’ny kaominina ireo aza ny nipetrahany amin’ny vola malagasy ambony indrindra. Ankehitriny dia toa hikoro ireto loko ka hiofo ho volomboasary « orange » sy manga toa volomparasy, loko nanambina ny ben’ny tanàna ka nahatafita azy teo amin’ny fifidianana. Tsy foiny tokoa ireo loko izay manomboka voizina ampiarahana amin’ny sary famantaran’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Raha atao hoe hitombina izany ny vinavinan’ny maro amin’izao firotsahan’ny ben’ny tanàna amin’ny sehatra politika izao dia heverina ho toy ny seho tamin’ny andron-dRavalomanana fony izy nirotsaka ho ben’ny tanàna. Nanomboka teo amin’io loko io ny songadina, ary niafara tamin’ny « bizina » mihitsy aza raha tsy hiresaka afa-tsy ny loko « beige crème », ny fandokoana ny fivarotana sy ny tsena, fampitoviana ny lokon’ny taxi-be, sns... Dia ho toy izany koa ve ny an’ity olom-baovao ity ? Tsy maintsy holokoina avokoa mantsy ny fotodrafitrasa raha izay no ho fandehany. Ny maha loko politika azy aloha tsy ho azo ferana fa ny mety hiseho dia hisy sarina TGV miloko manga sy volomboasary koa ny vola Ar 15 000 sy Ar 20 000 tokana any aoriana any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives