Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Fikambanana « orchidophilie »

Manao fikarohana eto Madagasikara

samedi 15 décembre 2007 |  874 visites  | Hery A.

Nanomboka tamin’ny volana febroary 2002 no nanao fikarohana sy fitsirihana ny tontolon’ny voninkazo « orchidée » eto Madagasikara ny iraky ny fikambanana « société française d’orchidophilie Poitou-Charente et vendée », fikambanana mpikirakira ny « orchidée » maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia nambaran’ireto manam-pahaizana fa ilàna fijery vaovao ny mahakasika ity voninkazo ity izay zary potiky ny « tavy » sy doro ala izay mitahiry ireny harena voajanahary ireny. Tamin’ity fandalovany ity, nanomboka tamin’ny 2 desambra dia nahita ifotony izany fiainan’ny « orchidée » sy ny vondron’olona ifotony izany izy ireo. Amin’ny ankapobeny hoy ireto vahiny ireto dia mbola tsy voaaro ny tontolo iainana any anaty ala sasany saingy nahafaly azy ireo ny fiarovan’ny fikambanan’ny vondron’olona ifotony ny « orchidée » any amin’ny faritra Mananara avaratra sy ny kaominina Ambodiriana. Toy izany koa ny tany Antanambao Mandrisy. Hanome vahaolana amin’ny fanaovana tavy ity fikambanana ity izay efa namoaka boky mahakasika ny « orchidée « eto Madagasikara. Nambaran’atoa Jean Claude Guerin nitarika ny delagasiona fa mbola hiverina izy ireo hanohy ny tetik’asany, sady efa naka hevitra tamin’ny minisiteran’ny fizahan-tany sy tontolo iainana rahateo izy ireo.

Mifameno indrindra amin’ireo teny ifanomezana ao amin’ny MAP ity fikarohana ataon’ny fikambanana mikirakira ny « orchidée » ity izay hiankinan’ny fampandrosoana eo amin’ny fanitarana faritra arovana any anaty ala. Manana fiantraikany goavana amin’ny vondron’olona ifotony izay manao fiarovana ny ala ary mampakatra ny isan’ny mpizaha tany rahateo. Ireto mpikaroka ireto no nampahafantatra fa miisa 25000 karazana ny « orchidée » misy eran’izao tontolo izao, ka ny 970 no mampiavaka ny eto Madagasikara, manana taha 4 % eo ho eo.

Ho an’ny fikambanana « orchidophilie » kosa dia manana mpikambana miisa 1500, ka misandrahaka mitety an’izao tontolo izao mitsirika ny tontolon’ireny voninkazo « Orchidée » ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS