Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Eto an-dRenivohitra

Mirongatra ny harom-paosy

jeudi 20 décembre 2007 |  506 visites  | Hery A.

Efa hatramin’ny andron’ny propagandy farany teo ireny no nirongatra ny harom-paosy teto an-dRenivohitra ary hatramin’izao ankatoky ny fety izao dia mbola miahoaho eny amin’ny toerana be olona sy eny ambonin’ny taxi-be ireo mpangarom-paosy. Voamarik’ireo jiolahy ny olona raha vao mamoaka vola fotsiny ka arahany mandrampahazoany ny vola, toy ny niseho tetsy Behoririka tamin’ny talata maraina teo. Lehilahy iray mpivarotra avy any Bezaha tonga nividy entana eto an-drenivohitra no lasibatra. Notatahan’ireo jiolahy tamin’ny hareza ny paosin’ilay rangahy ka lasany ny vola Ar.1 200 000. Voasambotry ny olona ity mpangarom-paosy saingy ny vola Ar 985 000 sisa no sarona teny aminy fa ny ambiny dia efa nampitainy tamin’ny namany. Soa fa nisy ny polisy misahana ny fifamoivoizana teo akaiky teo ka nandray an-tanana ny raharaha. Arak’izany dia tokony ho mailo ny mpiantsena amin’izao andro mafampana izao satria betsaka ireo olon-dratsy ary tsy misy hanavahana azy ny fitafiana anaovany sy ny volon-kodiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS