Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 08h08
 

Malagasy

Hery Rafalimanana : Vakoka sy kolontsaina

Adidin’ny ben’ny tanàna ny rova

vendredi 7 décembre 2007 |  315 visites  | Hery A.

Taorian’ny nihaonan’ny kandida Hery Rafalimanana tamin’ny vahoaka teny Mahazoarivo omaly maraina dia nihazo ny rovan’i Manjakamiadana ny tenany sy ireo minisitra 3 mirahalahy ka nifampitafa tamin’ny zana-dRanavalona sy ny mpiasa teny an-toerana ary ny tompon’andraikitra voalohany atoa Miejamirado.

Ao anatin’ny vinan’ny kandida Rafalimanana Hery voalohany ny fanatsarana ny vakoka sy kolontsaina ka anisan’ny manana antoka lehibe amin’ny fanamboarana ny rova ny kaominina, ary efa nandray anjara amin’izany rahateo. Amin’ny paska, taona 2008 no ho voatafo ny rova ary nanome toky ny zana-dRanavalona ny kandida fa hamerina amin’ny mahaizy azy ny rova.

Etsy andaniny kosa dia naneho ny fanohanany ny kandida atolotry ny TIM ny fikambanan’ny mpitatitra eto Madagasikara. Efa nampanantena azy ireo mantsy ny kandida fa hanohy ny fanamboarana ireo fihantsonan’ny fiara ka ho vaindohan-draharahany ny fanamboarana ny fihantsonan’ny fiara eny amin’ny fasan’ny karana. Resy lahatra izahay hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra raha nahita ny nanamboarany ny fotodrafitrasa etsy Ampasampito. Betsaka ny fivoarana teo anivon’ny fitaterana, nihena ny loza noho ny fepetra sns... Tsy ankiato mandrampaharivan’ny andro kosa ny fifampiresahana tamin’ny vahoakan’Antananarivo ka avy hatrany dia nandresy lahatra ny mponin’ny Mandroseza, avy eo nankeny amin’ny Paraky etsy Andrefanambohijanahary ary tsy nijanona raha tsy voatety ny firaisana voalohany sy ny manodidina. Aleo miara-miasa amin’ny fanjakana hoy ny minisitry ny angovo izay nanazava fa anjaranay fanjakana no manafoana ny delestazy izay efa an-dalana ny vahaolana, fa tsy anjaran’ny ben’ny tanàna ka fitaka ho an’izay mino izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS