Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 16h39
 

Malagasy

Tsena an-katoky ny fety

Mitaraina ny mpivarotra ara-dalàna

mardi 11 décembre 2007 | Hery A.

Dia mbola mikaikaika hatrany ireo mpivarotra ara-dalàna eto an-drenivohitra satria vao mainka miroborobo ny entana havoakan’ireo mpivarotra sinoa ho an’ny mpivarotra amoron-dàlana. Amin’izao voalohany izao dia tsy mahamenatra ireo mpivarotra amoron-dàlana ny manombana ny vidin’entana amin’ny vidiny avo sasaka mihoatra amin’ny eny amin’ny magazay sinoa, saingy rehefa atao ny ady varotra dia azo amin’ny antsasa-bidy ny entana. Ny kalitao aloha tsy dia tsara loatra ka mahatonga ny vidiny ho mora.

Ny mpivarotra ao amin’ny « Avance Center » etsy Andravoahangy sy ny mpivarotra ao amin’ny pavillon Analakely no efa nivondrona ka nandefa fitarainana isan’ambatonga saingy mbola sondriana tamin’ny fanomanana fifidianana ny tompon’andraikitra ka tsy nahazoana tohiny ny resaka. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny « Avance Center » dia alain’ireo orinasa sinoa ny modelin’ny entana amidin’izy ireo ka afaka andro vitsivitsy dia ahavitany dika mitovy ary amidiny mora dia mora. Tsy mampaninona hoy ireto mpivarotra raha amidiny ao anatin’ny magazainy ny entany fa ity izy arantiranty eny an-dàlam-be no tsy mety. Manginy fotsiny ny fandoavana hetra isan-karazany. Voakasik’ity resaka ity avokoa ny sokajin’entana rehetra amidy amin’ny vanim-potoana fety. Io no fotoana hanoheran’ireo mpivarotra ny hetra aloany nefa izao dia songonan’ny mpivarotra tsy mandoa hetra izao. Amin’izao fotoana izao àry dia mihitsoka ny entana, tsy mandeha ny tsena ka dia hanamafy ny fitarainana efa nataony ireto fikambanan’ny mpivarotra ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS