Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

CSM « Centre Sembana Mijoro »

Hanohana ny vehivavy sembana

lundi 17 décembre 2007 | Hery A.

Hankalaza ny faha 5 taona nisiany ny fikambanana « Sembana mijoro » amin’ny taona 2008 ka alohan’izany dia nanomana hetsika hiarahany amin’ny « fonds Canadien d’initiatives locales » entina hanampiana ireo olona sembana ao anatin’ny fikambanana. Hisy ny fanofanana ireo vehivavy sembana any Antsiranana manomboka amin’ny faha 17 desambra, ho an’ny Toamasina amin’ny faha 7 janoary 2008 ary any Toliary amin’ny 4 febroary. Aorian’izay dia hanangana tetik’asa ireo vehivavy sembana ka hotolorana loka arakaraka ny filaharany. Ny tanjona dia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sembana mba tsy hataon’ny olona ho vesatra eo amin’ny fiaraha-monina foana.

Misy ihany koa ny fanisan’andro taona 2008 misy fanentanana fampahafantarana ny zon’ny olona sembana haparitaky ny CSM ho an’ny sampan-draharaha rehetra misy eto Madagasikara hanamafisana ny fahafantaran’ny olona rehetra fa misy ny olona sembana eto Madagasikara ka tokony ho fantatra ny fotodrafitrasa mifanandrify amin’izy ireny.
Amin’ny fankalazana ny faha 5 taona dia hibahana bebe kokoa ny ady hevitra an-databatra boribory hiadian-kevitra mahakasika ny andraikitra sy zon’ny vehivavy sembana.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben-toerany etsy Ambohimanarina ny talen’ny CSM ramatoa Razafinjato Fela nampahafantatra ireo rehetra ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS