Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 15h18
 

Malagasy

Antananarivo renivohitra : orambe tsy ankiato

Vaky ny fefilohan’Andriantany

lundi 31 décembre 2007 | Hery A.

Tsy nampoizin’ny mponina teny Manarintsoa atsinanana ny nahavakisan’ny fefiloha miaro ny lakan-dranon’Andriantany tsy hiakatra. Vokatry ny orambe nandritra ny zoma alina no nahavaky ity fefiloha ity ka avy hatrany dia nisian’ny antso vonjy ranovaky. Olona miisa 112 no fantatra tamin’ny sabotsy fa traboina raha mponina miisa 353 no voakasiky ny loza mitatao. Ny sabotsy vao maraina dia namoaka izay entana azo navotana teo ny traboina sy ny manodidina ary niandry izay fanampiana. Tonga teny an-toerana tokoa ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina sy ireo ekipany nanolotra vary sy kojakoja samihafa. Ny eo anivon’ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary eto Madagasikara koa dia nanolotra trano lay sy fanampiana samihafa. Anisan’ny tonga teny voalohany koa ny APIPA, sampan-draharaha miandraikitra ny fanajariana lakan-drano eto amin’ny faritra Analamanga ka avy hatrany dia nanamboatra ny fefiloha vaky. Nampanantena ny vahoaka kosa ny eo anivon’ny kaominina fa hidina isan’andro eny amin’ireny faritra iva ireny hijery ifotony ny fahasalaman’ny mponina amin’izao fiakaran’ny rano izao.

Soamanatombo

Volana vitsy lasa izay no namindrana ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny Soamanatombo, ambadiky ny antenimieran-doholona etsy Anosy, ho ao amin’ny toerana iray akaikin’ny tobin-dasantsy Shell sy ny Motel.

Fanamboarana no anton’ny famindran-toerana saingy vokatr’iny orambe tamin’ny zoma iny dia ny aina sisa no tsy nafoin’ireo mpivarotra miisa 300 fa ny entana dia potiky ny rano avokoa. Tao amin’ity tsena ity avokoa no nifatratra ny rano ka nandifotra ny antsasaky ny trano fivarotana. Fatiantoka no iainan’ireo mpivarotra satria tsy vitan’ny handosiran’ny mpanjifa fa na ny entana hamidy aza tsy misy.

Trano nianjera

Ny trano vadim-piangonana FJKM Ambohijatovo fitiavana no trano nianjera voalohany tamin’ity fotoam-pahavaratra ity, raha ny eto an-drenivohitra no asian-teny. Tao anatin’ny orambe tamin’ny zoma iny ihany koa no nampianjera ity trano ity ka nahapotehana ireo entana rehetra tao an-trano. Araka ny nambaran’ny filohan’ny sinodam-paritany Antananarivo andrefana moa dia misy fotodrafitrasa tokony hamboarin’ny fanjakana eny amin’iny faritra iny hiarovana ny fianjeran’ireo trano satria tandindonin-doza avokoa ireo trano ao ambonin’ity FJKM ity.

Hatramin’izao dia ny fahasimban-javatra no betsaka amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS