Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 21h21
 

Malagasy

Boriborin-tany faha-4

Fantaro i Mandrangobato II

vendredi 4 janvier 2008 |  923 visites  | Hery A.

Raha atao indray mijery dia tanàna fonenan’ny mpila ravinahitra ny fokontany Mandrangobato II ary mpanofa avokoa ny ankamaroany. Maro ireo trano manana endrika tsara any anatin’ny tanàna izay manana hofany antonony, eo amin’ny Ar 20000 hatramin’ny Ar 70000 isam-bolana. Tao anatin’ny taona, vitsy dia nampiova tanteraka ny fiainan’ny mponina teny ny fisian’ny làlana vaovao « Boulevard de l’Europe », avy eo Anosibe
mivoaka any Soanierana, mamakivaky ny làlana Namontana. Honahona sy fotaka no niainan’ny mponina teny taloha ary anisan’ny toerana dibo-drano voalohany rehefa avy ny orana. Teny amin’ny arabe ny olona no nanasa tongotra rehefa hamonjy toeram-piasana sy sekoly. Ankehitriny dia tonga tanànan’ny fifanakalozana satria niorina vetivety ireo karazana fivarotana manamorona iny làlam-baovao iny ka ny fokontany Mandrangobato dia efa rakotra an’izany.

Tsy te ho matihanina

Ny tsikaritra anefa dia mbola tsy ara-dalàna ny ankamaroan’ny fivarotana. Namoaka didy ny kaominina ka tsy azo atao ny manorina trano hazo amoron-dàlana. Nandrava ny tranony ireo nanana izany teo aloha ka nosoloina trano biriky, saingy ny manoloana ny arabe ihany no natao biriky fa ny ambiny dia trano hazo.

Raha vao miala ny arabe indray dia miditra elakelantrano ary saika iva toerana avokoa izay lalovana ka tsy ilaozan’ny rano mihandrona. Vetivety dia feno ny lakan-drano izay tsentsin’ny fako miangona eo amoron’ny arabe.

Mandrangobato Anosibe

Raha faritana kosa ny toerana misy ny fokontany Mandrangobato II dia
avaratry ny fokontany Angarangarana Anosibe, andrefan’ny fokontany Namontana ary atsimon’ny fokontany Mandrangobato I. Na izany aza ny zava-misy hoy ireo mponina sasany dia toa nofinofy ihany ity fiovan’ny tanàna fonenany ity. Toy ny tsy misy amin’ireo mponina sasany izany fiakaran’ny rano izany na dia mbola fefika an’izany aza ny faritra sasany. Niova hatramin’ny asa fivelomana satria saika fiafenan’ny olon-dratsy ity faritra ity taloha. Ankehitriny dia manana anton’asa amin’ny alàlan’ny fivarotana ireo mponina. Ny hany olana sedrain’ity faritra ity dia ny jiro sy rano. Ho an’ny eny an-dalambe dia zara raha misy andrin-jiro mirehitra ary ny paompin-drano dia ilaharana avokoa. Ho an’ny herin’aratra any an-tokantrano kosa dia tsy maharaka ny filan’ny mponina ka na tsy tapaka tanteraka aza dia tsy mahazaka ny fitaovana ilàna azy.
Tsikaritra ihany koa fa maro ireo fiara efa simba taloha no nahariharin’ity fisokafan’ny làlam-baovao ity ka saika mbola haingon’ny sisin-dalana eny ny ankamaroany amin’izao fotoana izao.


- Trindrio ny sary voalohany raha hijery ny « diapo » ianao.

Portfolio

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS