Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 13h25
 

Malagasy

Fandravana ny Antenimieram-pirenena

Tsy hiatrika fifidianana ny AREMA

mardi 24 juillet 2007 | Hery A.

Manoloana ny fikasan’ny filoham-pirenena handrava ny Antenimieram-pirenena malagasy dia naneho hevitra atoa Raveloson Josefa, mpandrindra ny antoko AREMA ao amin’ny firaisana faha 4 ka nanambarany fa vokatry ny tsy fahadiovan’ny rivotra politika hatramin’ny taona 2002 no mahatonga ny ady an-trano hiditra tsikelikely eto Madagasikara. Ny vahaolana moa hoy ity mpanao politika ity dia ny fiaraha-midiniky ny fanjakana mivantana amin’ny antoko voakasiky ny olana toy ny antoko mpanohitra, ny AREMA. Izay tsy fahadiovan’ny rivotra politika izay dia miteraka didy jadona ataon’ny fanjakana, hoy ihany Raveloson ka miafara amin’ny fisambosamborana sy fanagadrana fahatany. Tsy misy olana mivaha eto raha tsy avoaka ny gadra politika ka mitodika amin’ny firaisam-pirenena. Izao indray dia manao izay hahazoany maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny fitondrana ka ravàny aloha ireto solombavambahoaka nitokisana teo aloha. Arak’izany dia mbola tsy mieritreritra fifidianana ny antoko AREMA manohana an’Atoa Ratsiraka Didier, filoham-pirenena teo aloha.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS