Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

« Iarivo mifaly »

Kianjan’ny 13 mai : « Tsy ho lalao politika ihany »

vendredi 17 août 2007 | Hery A., Volana R.
Ny rovan’Antananarivo sy ny tantarany etsy amin’ny kianjan’ny 13 mai.

Lalao iraisan’ny mponina, miaraka amin’ ny Lalaon’ny Nosy fahafito. Endrika vaovao indray no natolotry ny Fivondronan’Antananarivo Renivohitra (CUA). Endrika hafa sy seho tsy mitovy amin’ny hatramin’izay.

« Tsy ho korontana politika na fangatahana fiovam-panjakana ihany akory - ary tsy ho izay intsony - no ho hita eo amin’ny Kianjan’ny 13 mai. Lalao sy fifaliana, firaisan-kinan’ny samy Malagasy sisa no tsara raketiny », hoy ny PDS Rafalimanana Hery.

Lalao isan-karazany, fitsidihana an’i Manjakamiadana, miaraka amin’ny tantaran’ny Firenena, fifaninana dihy, rindran-kira tsy miato. Seho maro ihany koa nanomanana ho an’ny vahoaka Malagasy tamin’ny fandraisana ny Afo Olympika sy ny Lalaon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Nanao ezaka ny CUA tamin’ny fanavaozana ny tontolon’ny renivohitra. Ny fanatsarana azy rahateo no efa politika napetraky ny PDS tany am-pandraisany ny fitantanana. Nifanojo tamin’ny fandraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy izany ka dia antso avo no aroso : « Aoka mba samy hanaja sy hikajy ny harena ananantsika isika. Ny vakoka. Ny tantara. Ny soatoavina. Dia ny fananana iombonana, toy ny zaridaina voavaotra, ny lalana voarindra, ny lakan-drano voadio, ny trano fivoahana marobe... Ho antsika ihany izy ireny ka isam-pokontany no hifandamina, ny tsirairay no hahatsiaro tena. Ny voninahitry ny Tanindrazana sy ny an’ny tena no tandrovina ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS