Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 04h35
 

Malagasy

Oniversite Toamasina

Mpianatra nodorana velona fa tsy may

mardi 19 juin 2007 | Hery A.

Tonga teto amin’ny gazety ny filohan’ny « Tanà miray », filohan’ny fikambanan’ny mpianatra mpiavy ao amin’ny oniversiten’ny Toamasina ka nanambara fa nisy ny famonoana nataon’olona misaron-tava azy. Nalaina an-keriny izy ary nofatorana sady notondrahana lasantsy, saika hodorana velona. Votsotry ny lasantsy ny tenany rehetra, hatrany amin’ny ankasarotany. Afaka niantso vonjeo anefa izy ka hitan’ny mpianatra, izay marihana fa tao amin’ny Campus ihany no nampijaliana azy. Naiditra hopitaly izy ka tsy afaka niverina nanohy ny fianarany intsony taorian’ny faha 6 jona teo, nisehoan’ny habibiana.

Araka ny nambaran-dRakotoniaina Bienvenue José, niharan’ity habibiana ity dia vokatry ny fangatahana rariny tamin’ny mpampianatra no fototry ny resaka . Vidiana ny programa ka tsy zakan’ny mpianatra. Fanakendana teo imason’ny mpianatra no nahazo azy, araka ny fitantarany ihany.

Nanao fitarainana

Rehefa nitaraina tamin’ny lehibe tao amin’ny oniversite i José dia mbola tsy nisy vokany aloha hatramin’izao koa mangataka ny fitondram-panjakana ny tenany mba hijery akaiky ity raharaha ity. Mihitsoka mantsy ny fianarana ary dia nambarany fa sarotra aminy ny mbola hiverina hanohy fianarana any Toamasina. Araka ny fiheveran’ity mpianatra ity ihany dia mamofompofona resaka foko ny raharaha satria dia voatonon’ireo mpaka an-keriny azy hatrany ny foko aty am-povoan-tany. Voalaza aza fa nisy taratasy nentin’ireo mpaka an-keriny hitan’ny mpianatra, mikaroka ny filohan’ny « Tanà miray » sy ny filohan’ny mpianatra Atsimo - Atsinanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS