Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h50
 

Malagasy

Mpiasam-bahoaka : Fidirana amin’ny 9 ora maraina

Ny vahoaka indray no sahirana

mardi 3 juillet 2007 | Hery A.

Araka ny baikon’ny fitondram-panjakana dia nanomboka omaly alatsinainy ny fidiran’ny mpiasam-bahoaka sasany amin’ny 9 ora maraina, raha amin’ny 8 ora maraina teo aloha.

Tsy miova ny ora 8 hiasana isan’andro, izany hoe mirava amin’ny 5 ora hariva, raha tamin’ny 4 ora teo aloha. Ho an’ny mpiasam-panjakana voakasik’ity ora vaovao ity dia azo lazaina ho tsy dia mampiova zavatra firy.

Misy kosa anefa ireo ampahany izay afaka miaina aminy, saingy ny tombony amin’ny fanatanterahana ireo asa tsy vita no tombony ka miditra aloha ihany.

Sahirana ny mpanjifa...

Anisan’ny nampihatra voalohany an’ity lalàna vaovao ity ny foiben’ny fananan-tany etsy Anosy. Amin’ny ankapobeny dia mety amin’ireo mpiasa ilay ora, izay azo lazaina ho vitsy an’isa, sy be elanelana tokoa, raha mihoatra amin’ny mpanjifa manan-draharaha ao aminy. Toeram-piasana faran’izay sarobidy amin’ny fanaovan-draharaha ka tsikaritra fa tena manahirana ny mpanjifa mihitsy . Mitombo ny ora lanin’ireo mpikarakara taratasy, raha ny eo Anosy manokana. Saika olona ivelan’Antananarivo renivohitra mantsy no mila ity sampan-draharaha ity, ary nambaran’ireo mpanjifa fa ora 5 na 6, eny mety ho indray andro manontolo aza no lany eo am-piandrasana ny raharaha atao ao. Tsy mandefitra anefa ireo mpiasa fa na tonga aloha aza izy ireo dia tsy handray olona raha tsy amin’ny 9 ora. Arakaraka ny fahasarotan’ny fanaovan-draharaha amin’ny sampan-draharaha sarobidy toa itony tokoa no mahatonga ny kolikoly. « Izay may adala » hoy ny fitenenana ka raha ity rafitra ity dia tokony hitadiavana vahaolana haingana.

Farafaharatsiny mba misy ny mpiandry raharaha tsy an-kiato mandram-pilamindamin’ny asa izay azo lazaina fa sakana satria mbola be no tsy vita.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS