Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Malagasy

Faritra Bongolava

Mihamafana ny adilahy politika

mercredi 30 mai 2007 | Hery A.

Lasa disadisa sy nanampy tosika ny zava-misy ao amin’ny faritra Bongolava indray ny fanakianana mivantana ataon’ny loholon’i Madagasikara ny fiasan’ny tompon’andraikim-panjakana ao amin’ny faritra Bongolava araka ny vaovao nambaran’ny lehiben’ny faritra atoa Rabarijaona sy ireo olom-boafidy any an-toerana.

Voakasiky ny fanakianan’ity loholona ity avokoa hatramin’ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny sampan-draharaha isan-tokony ny ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina sns ...

Araka ny vaovao nampitaina taty aminay ihany dia voalaza fa noroahin’ity loholona ity hiala tao amin’ny biraony ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bemahatazana tamin’ny faha 15 martsa teo, ary notoriany satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny hono ny asa sy ny tetik’asa. Voalaza ihany koa fa namoronany antontan-taratasy hiampangana azy ity ben’ny tanàna ity.

Hiantso ny Bianco

Heverin’ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana fa fisakanana ny fandehanan’ny tetik’asa (PE III, PROJER) no ataon’ity loholona ity, ary mampanahy ny rehetra ihany koa ny fitenenan’ny loholona tamin’ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, amin’ny tokony hanomezana vola an’ireo mpangalatr’omby, amin’izay dia tsy hangalatra intsony ny dahalo. Etsy andaniny dia voakiana koa ny angaredona hiadiana amin’ny halatr’omby.

Nambaran’ireto mpiasam-bahoaka any an-toerana ireto fa efa mandeha any koa ny fanangonan’ity loholona ity antontan-taratasy handroahana ireo tera-tany vahiny manao asa soa any amin’ny faritra Bongolava.

Arak’izany dia miantso ny « Inspecteur générale de l’état » sy ny Bianco ireo olom-panjakana ao anatin’ny faritra Bongolava mba hijery akaiky izao fanamparam-mpahefana izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS