Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 05h09
 

Teny zato, kabary arivo

Randrana tsy manendrika ny tena

mardi 19 juin 2007 |  235 visites  | Hery A.

Ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara mihitsy no tokony halamina, izay hita taratra amin’izao ankatoky ny fandraisana ny Lalaon’ny nosy izao. Tsy azo ihodivirana ny fanakianan’ny rehetra ny ekipam-pirenena Barea izay nifanandrina tamin’ny Gabon, tao anatin’ny CAN 2008. Tsy tanisaina eto fa efa voaporofo ny tsy fahavitrihan’ny malagasy nijery ny lalao tao Mahamasina ary ny tsy fankasitrahana ity ekipa ity.

Ny fototra no tokony ho jerena mba tsy hahavery maina ny firoboroboan’ny kitra eny anivon’ny fokontany sy ny faritra eny, ka iza moa izany fa tsy ny mpitantana mihitsy e ! Sao dia mba tokony hiova ny fotony fa tsy ny mpanazatra no ifandimbiasana handaniana vola be eo. Ny mpanazatra malagasy aloha dia anjorom-bala hatramin’izay. Mahay baolina ny Malagasy ! Tsy azo lavina izany, fa ny ambadimbadika no mety tsy mahatafita azy.

Maninona tokoa moa raha hanatevenana ny taranja nahazoana tompon-dakan’ny Madagasikara ny vola laniana amin’ity kitra ity e ! Ny kitra toa tsy halaza mihitsy fa aleo ny zavatra tena manavanana ny tena no hatao. Tohano sy mba ataovy manako eran’izao tontolo izao fa tompon-daka amin’ny taranja hafa ny Malagasy raha tsy hilaza afa-tsy ny lalao kanetibe fotsiny. Tsy tanisaina ireo haiady, ny tenisy sns ...

Efa ela tokoa no natao teny zato, kabary arivo ny fangatahan’ny Malagasy mpitia baolina kitra ny hijerena ifotony ny ao amin’ny federasiona ao saingy efa ny filoham-pirenena moa no nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana mpanazatra, saingy io iaraha-mahita io ny vokatra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS