Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h48
 

Malagasy

Nosy Comores : Olona 50 no matin’ny « Choléra »

Ahiana hihanaka ao Mahajanga ny aretina

samedi 15 septembre 2007 |  227 visites  | Hery A.

Hentitra ny fisavana ny hanimasaka amidy eny an-tsena sy eny amin’ny hotely, izay ataon’ny BMH ao Mahajanga noho ny fahafantarana ny fielin’ny aretina « choléra » atsy amin’ny nosy Comores izay tsy lavitra an’i Madagasikara. Fantatra mantsy, araka ny vaovao azo fa olona miisa 1000 no voan’izany any Comores ka ny 50 amin’ireo no efa maty.

Ambenana ny sisin-dranomasina

Arak’izany dia nampivory ny tompon’andraikitry ny fahasalamana sy ny sekoly ary ny tompon’andraikitry ny seranan-tsambo ny lehiben’ny faritra Boeny ka nandray fepetra faran’izay haingana hisorohana ny mety hifindran’ny otrik’aretina aty Madagasikara. Hiandraikitra ny fiambenana ny sisin-dranomasina ny mpitandro filaminana ao amin’ny seranan-tsambo, sao dia misy ny mpifindra monina avy any Comores miditra an-tsokosoko. Ny tompon’andraikitry ny fahasalamana kosa dia hiara-hiasa amin’ny sehatry ny fitaterana rehetra ka hametraka fanafody eny amin’ireo seranana, ary nanao fanambarana mba tsy hihinanan’ny mponina manga izay mety hahatonga fivalanana. Ny tompon’andraikitry ny sekoly kosa dia handray fepetra ka hanery ny mpianatra hampiasa rano madio, sy hampiasa savony isaky ny misasa. Ny fisavana ireo hotely kosa dia nametrahana fepetra ka tsy maintsy mametraka rano sy savony hisasan’ny olona misakafo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS