Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 08h53
 

Malagasy

Fifidianana

Ahiana ny hisian’ny hala-bato hoy Ranjivason

vendredi 21 septembre 2007 | Hery A.

Na dia efa hita soritra aza ny mety ho fifandanjan’ny kandida solombavambahoaka eto Antananarivo dia samy tsy afapo ny ankamaroan’ireo kandida, indrindra fa ny kandida mpanohitra. Ny tokin’aina misy, hoy ny kandida Ranjivason, ao amin’ny boriborin-tany faharoa, fa ny hala-bato no ahiana. Araka ny feo ren’ity kandida ity dia nisy baiko nidina avy any amin’ny mpitondra fanjakana ambony any manendry ny olon’ny antoko TIM hisahana ny biraom-pifidianana ao amin’ny boriborin-tany misy azy. Nambaran’ity kandida ity ihany moa fa mety ho ny biraom-pifidianana rehetra mihitsy no naharay izany baiko izany. Arak’izany dia maneho ity kandida ity, fa tsy manaraka lalàna ny kandidam-panjakana.

Na izany aza anefa dia tsy hihemotra na hiala an-daharana ny kandida fa hanao ny faradoboka ao amin’ny kianjan’Androndra anio zoma, ka hiara-hamarana ny fampielezan-kevitra ao ireo artista malaza sy mpanao vakodrazana. Dia mbola mitaona ny mponin’ny boriborin-tany faharoa ny tenany hifidy azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS