Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Malagasy

Bongolava : Setrasetra politika

Manoso-potaka anay ny loholona Rakotoamboa, hoy ny lehiben’ny faritra

samedi 19 mai 2007 |  151 visites  | Hery A.

Herinandro taorian’ny namorian’ny loholona Rakotoamboa ny mpanao gazety dia mba nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety koa ny lehiben’ny faritra Bongolava ka nanambara fa fisakanana ny tetik’asa efa mandeha, noho ny lonilony politika no nentina nanalana baraka azy amin’ny haino aman-jery.

Nambaran’ity lehiben’ny faritra ity fa fanalambaraka azy sy ireo mpiasam-bahoaka rehetra ao anatin’ny faritra no nataon’ny loholona Rakotoamboa. Maro dia maro ny tetik’asa notantaraina tamin’ny mpanao gazety izay nambara fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny asa nahazoan’ny faritra famatsiam-bola.

Ny asa manontolo sahanin’ireo mpitondra any an-toerana no nambaran’ny loholona Rakotoamboa fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tetik’asa fampandrosoana haingana (RRI) avokoa ireo voalaza ho tsy manjary ka anisan’izany ny voly vary an-tanety izay nambara fa nanerena ny tantsaha, ny fambolena zanakazo, nambara koa fa vola ariam-potsiny. Eo amin’ny fandriam-pahalemana moa dia tonga hatrany amin’ny fanenjehana ireo lehiben’ny distrika ao Tsiroanomandidy sy ireo delegem-panjakana rehetra.

Hanao tatitra amin’ny fanjakana foibe

« Tsy aleo omena ny dahalo avy hatrany ny vola Ar 11 miliara ampiasain’ny faritra dia tsy manafika intsony izy ». Tenin’ny loholona Rakotoamboa io, hoy ny lehiben’ny faritra, izay heverina fa mba soson-kevitra. Hanao tatitra amin’ny fanjakana foibe ireo mpiasam-bahoaka sy ny lehiben’ny faritra ka ambarany amin’izany fa setrasetra politika handravana ny tetik’asa efa mandeha ity ataon’ny loholona ity. Ho tafiditra amin’ny tatitra ihany koa ny fandrahonana ny mpiasam-bahoaka eny anivon’ny kaominina izay ataon’ny loholona, araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitry ny kaominina voakasik’izany.

Marihana fa tonga hatrany amin’ny fitsarana ny fanosoram-potaka ireo tompon’antoka amin’ny fampandrosoana any an-toerana, hoy ihany ny lehiben’ny faritra, nefa na izany aza dia fiaraha-miasa no ilaina fa tsy fitoriana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS