Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h59
 

Malagasy

Toamasina : Fifidianana

Misy ny mikasa hanakorontana

mercredi 19 septembre 2007 | Hery A.

Miha manakoako ny fampielezan-kevitra eny anivon’ny tanandehibe manerana ny nosy amin’izao herinandro farany hananana azy izao ka tsikaritra fa mipoitra tsikelikely amin’izay ireo kandida, ankoatry ny TIM. Misy an’izany avokoa na any Antsirabe, na any Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toliary, Tolagnaro, Toamasina, ka ity farany izao no nahazoam-baovao fa misy mikasa hanakorontana ny fifidianana ao an-toerana. Maro no antony mety hisian’izany, hoy ihany ny vaovao azo, toy ny tsy fahafalian’ireo kandida, izay tara fanaterana bileta, sy ny antony politika izay mafampana mandavantaona amin’ity faritra ity, indrindra rehefa resaka politika no misongadina.

Arak’izany dia efa nandray fepetra ny fanjakana ka nanamafy ny fitandroana ny filaminana. Tomefy mpitandro filaminana isaky ny fokontany, amin’izao fotoana izao. Mbola tsy nisy aloha ny seho fa endrika somary tsaho manao ramatahora izany fotsiny no miely. Ny kandida matanjaka hiditra ho solombavambahoaka any an-toerana kosa dia manohy ny fampielezan-kaviny, ary vao mainka miha henjana ny fandresen-dahatra ny olona ho tonga hifidy azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS