Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h32
 

Malagasy

Làlam-pirenena faha 44

Misy manafika ny fiara mpitatitra

jeudi 9 octobre 2008 | Hery A.

Manjaka ny tsy filaminana amin’ny lalam-pirenena faha 44 miainga eo Moramanga mihazo an’Ambatondrazaka. Tato ho ato dia nisy ny fanafihana ataon’ny jiolahy amin’ireny fiara mpitatitra ireny. Fiara mpitatitra maro no efa nahazoana fitarainana. Mpandeha an-jatony no efa very fananana. Na dia eo aza ny mpitandro filaminana izay miasa mafy, dia tsy maintsy mba nandray fepetra ny mpanao fitaterana. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia nifamotoana eo Moramanga ireo fiara mpitatitra mankany Ambatondrazaka. Eo no miara-miainga manao « caravane ». Indroa isan’andro no hifampiandrasana eo Moramanga. Manararaotra manaraka ireny « caravane » ireny kosa ny fiaran’olon-tsotra, satria maro amin’izy ireny koa no lasibatra.

Ho avy ny fahavaratra ! Eny amin’ny làlana ratsy no famelezan’ireo mpisakan-dàlana. Anisan’ny saro-dàlana ny mankany Ambatondrazaka rehefa fahavaratra. Izao main-tany izao anefa dia efa sahy manao ny ataony ireo dahalo ka ahiana ho mafimafy izany amin’ny firotsahan’ny orana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS