Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 11h48
 

Malagasy

Jiromanga bibiolona

Nalemy ilay vehivavy voaolana

jeudi 18 septembre 2008 | Hery A.

Na tsaho na tsia, ny lazan’ny fisian’ny bibiolona any ambanivohitry Mananjary, naha be resaka tany an-toerana nandritra ny herinandro izay, dia misy fiantraikany goavana izany amin’izao fotoana izao. Manidy trano takariva ny mponina noho ny tahotra.

Tsy sahy mivoaka ny trano kosa ny vehivavy satria ny fanolanana vehivavy no tena nampalaza izany bibiolona izany.Jiro manga moa no tena ahafantaran’ny olona azy satria toa hoe mangamanga manjelanjelatra ny masony. Tonga eto an-drenivohitra ny olona iray avy any ambanivohitry Mananjary iny, nitantara ny akon’ity zavatra mampisavoritaka saim-bahoaka ity.

Rangahy iray mpividy omby any Tsiroanomandidy no voalaza fa nitondra io biby io niditra ny faritra Vatovavy Fitovinany. Voalaza aloha fa biby toy ny soavaly ny tapany ambany ary olona ny tapany ambony toy ireny « bobel » amin’ny tantara an-tsary ireny. Nifanaraka tamin’ity tompon’omby izy fa hiantoka ny fiarovana ny ombiny, ka ny firaisana ara-nofo amin’ny vadin’ity tompon’omby no tambiny. Nanaiky rangahy, saingy nony tonga tany Mananjary dia tsy nanaiky indray izy. Tezitra « hono » ity bibiolona ka nataony ankeriny ramatoa vadin-drangahy. Taorian’io no nanomboka hitan’ny olona ilay biby. Hatramin’izao dia malemy ao am-pandriana ilay ramatoa natao an-keriny ary nivoaka tsiranoka mamofona ratsy ny fivaviany.
Devoly latsaka an-tany ?

Devoly latsaka an-tany

Manatona ny renivohitry ny distrikan’i Mananjary ny lazan’ilay biby satria efa nisy vehivavy notafihany tao amin’ny tanana atao hoe Fangato, hiditra ao Mananjary. Nandondona varavarana ity biby ary mahafantatra ny anaran’ny olona ao an-trano. Nisy baiboly anefa teny an-tanan’ity vehivavy ka nandroaka ity biby tamin’ny anaran’i Jesoa ka lasa nandositra.

Sahiran-tsaina ny mpitandro filaminana satria mifangaro amin’ny firongatry ny asan-jiolahy ity feo mandeha momba ny bibiolona ity. Hany herin’ny zandary sy ny polisy dia ny manoro hevitra ny olona mba ho mailo. Toy ny nataon’ity bibiolona ity no fanaon’ireo jiolahy. Mandondona izy ary manonona ny anaran’ny olona ao an-trano.

Na teo aza ny fisian’ny olona sahy milaza fa tena misy io bibiolona io dia maro no tsy mino, kanefa matahotra ihany. Mazava anefa fa asan-devoly io ary mitombina ny fandresen’ilay vehivavy be finoana ka nandroaka azy tamin’ny anaran’i Jesoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS