Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 20h30
 

Teny zato, kabary arivo

Mihorohoro

lundi 6 octobre 2008 | Hery A.

Nalazalaza ity resaka momba ny « fampihorohoroana » ity, tato ho ato. Maro ny endrika azo hitondrana fanazavana mahakasika an’io fa ny tsikaritra eto Madagasikara dia ny fahaizan’ny sasany mandika vilana ka manita-dresaka indraindray. Ny asa fampihorohoroana eritreretin’ny ankamaroan’ny olona aloha dia toy ireny zava-miseho any andafy ireny. Misy mpanao vy very ny ainy, mametraka « baomba » eny amin’ny toerana be olona. Eo no mirefotra ny baomba ka ny tanjon’ny fampihorohoroana eto dia ny handripaka ain’olona betsaka.

Mila hifangaro amin’ny resaka fanonganam-panjakana nokasain’ny sasany hatao teto anefa izany. Afangaron’ny sasany amin’ny resaka politika anatin’i Madagasikara ihany koa. Toa samy manana ny famaritany azy ka izay fihetsika ataon’ny fanjakana dia « fampihorohoroana » izay.

Tsy azo lavina kosa anefa ny mety hisian’ny tsy filaminana politika eto amin’ny firenena. Fantatra eran-tany fa saika tsy milamina ara-politika ny tany mamokatra harena an-kibon’ny tany, indrindra fa ny fananana solika. Ao anatiny indrindra ny eto an-toerana, ka asa na anisan’ny arofanina sahady ny firesahana ity asa fampihorohoroana ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS