Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 16h21
 

Malagasy

Antananarivo renivohitra

Manimba zavatra ny lonilony politika

vendredi 5 septembre 2008 | Hery A.

Voafatotry ny loko politika tanteraka ny tanànan’Antananarivo amin’izao fotoana izao ka manomboka miseho tsikelikely ny fiantraika ratsiny. Ny zavatra efa nampoizina hatramin’ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian’ny fifidianana ben’ny tanàna no miseho ankehitriny. « Ho potika ny zava-bitan’ny PDS teo aloha », hoy ny sasany. Hitombo be dia be ny takela-by ho an’ny dokam-barotra« , hoy ny sasany. Ity takela-by ity moa no nalaza tamin’izany, sady nisy rahateo ny sotasota nahazo ny orinasan’ny ben’ny tanàna amin’izao fotoana izao. Ka inona fa tsy ilay vinavinan’ny mpanara-baovao hoe »valifaty« no niseho. Tsy misintona ny sain’ny vahoaka loatra anefa izany ankehitriny satria raharahan’ny samy mpanambola. Ny hany tsikaritra amin’izao filomanosan’ny raharaha ao anatin’ny politika izao dia ny fikatsoan’ny raharaha sosialy. Tsy mba nisy fikojakojana ny zava-bitan’ny PDS teo aloha mandritra izao adilahy misy eo amin’ny kaominina sy ny fanjakana izao. Ny mpanohitra koa moa etsy andaniny dia manararaotra ny hafanan’ny raharaha. Hita taratra ny fahabangan’ny fotodrafitrasa eto an-drenivohitra, indrindra amin’ny alina. Zara raha voakarakara iny lalam-baovao Anosibe iny. Tsy misy mpanondraka intsony ny zaridaina, tsentsin’ny fako ny lakan-drano, miongotra ny andry sasany, ary mirodana ny rafitra biriky namefy ny zaridaina. Nesorina avokoa ireo jiro nanodidina ny farihin’Anosy, niala torak’izany koa ny etsy amin’ny sisin-drano eo amin’ny CENAM. Novàna noho ny hambom-po ny rafitra rehetra tokony ho no tohizana ka tonga amin’ny vinavinan’ny mpanara-baovao hoe »ho sasatry ny miarina..."

Saika ny zava-bita teo alohan’ny fampielezan-kevitra ireo noravaravaina ireo. Ny lonilony politika tokoa no nanimban-javatra !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS