Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Malagasy

Asa soa navelan’i Mompera André Maire

Manohy asa ny « aide missionnaire »

jeudi 2 octobre 2008 | Hery A.
Filohan’ny « aide missionnaire : niavaka ny fitsenana azy teny Ivato.

Tsy maty ao am-pon’ny mponina ao Mandoto ny zava-bitan’i Mompera André Maire, nitondra fiangonana tao Mandoto hatramin’ny taona 1972, hatramin’ny taona 1999. Maty noho ny aretina tazo mahery tao Mandoto ny tenany. Ao Mandoto no milevina ny nofony hatramin’izao. Maro ny asa sosialy navelany ho an’ny faritra any Mandoto iny, toy ny fananganana fiangonana ao Vatovory, ny toby fitsaboana ao Mandoto, fiahiana ireo mpifindra monina ao Morarano, kaominina Anjoma Ramartine, sekoly amin’ny fokontany maromaro.

Tsy navelan’ny fianakavian’i Mompera André Maire hijaona teo ny fanampiana an’i Mandoto fa nanangananan’ny rahalahiny fikambanana antsoina hoe « Aide missionnaire », any Frantsa. Atoa Gilbert Maire rahalahiny no filohan’ny fikambanana izay ivondronan’ireo tera-tany Frantsay maro. Ireo no mikaroka lalam-bola any ivelany, entiny hanohizana ny asa soa efa natombok’i Mompera André Maire. Tonga any Mandoto isan-taona ny fikambanana ka manodidina ny 50 mianadahy no indray mandeha. Indroa izay no notsenaina tamin’ny fomba miavaka ireto mpanao asa soa ireto.

Endrika 3P

Nivimbina voandalana ireo mpanao asa soa.

Tamin’ny faha 21 septambra teo no tonga eto indray ireo vahiny ireo. Nijery ifotony ny fivoaran’ireo tetik’asa notohanany izy ireo. Efa maro koa mantsy ny fotodrafitrasa natsangan’ity fikambanana ity taty aoriana ka efa manana endrika fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fikambanana tsy miankina. Fotodrafitrasa fampandrosoana ny fiaraha-monina avokoa no ahian’ity fikambanana ity. Nivimbina fanampiana ho an’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly misiona najorony izy ireo. Ankoatry ny fanampiana iraisan’ny rehetra dia miahy ankizy iray isan’olona ny mpikambana ao amin’ny “aide missionnaire”.

Fizahan-tany vita ho azy

Nandritra iny herinandro iny no nanatanterahan’ireo vahiny ny iraka nampanaovina azy tany Mandoto. Orinasa AMY TRAVEL, matihanina amin’ny fampivahiniana eto Madagasikara no mpikarakara ity fikambanana ity. Nomen’ity orinasa ity tombony amin’ny fizahan-tany ny vahiny ka nijery ny faritra any atsimotsimo, any amin’ny faritra Vakinankaratra iny. Ny filohan’ny “aide missionnaire” atoa Gilbert Maire dia nanambara fa ny asa navelan’ny rahalahiny dia tsy avelany ho very maina. Ho avy isan-taona ny fikambanana hamita ny adidiny amin’ny mpiray tanindrazana amin’I Mompera André Maire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS