Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 04h36
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy fanariam-pako...

vendredi 3 octobre 2008 | Hery A.

Hentitra ny fanjakana ! tsy azo anariana entana tsy ilaina avy any ivelany any intsony eto. Ny ronono amin’ny boaty io nandraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra io. Henjana ny asa manomboka eto satria ilay ronono nandripaka zazakely tany Chine no tena ahiana ho tafiditra eto. Amin’ny ankapobeny dia an’ny sinoa ny 90ùn’ny entana vahiny miditra eto. Ny karazan’entana rehetra avy any dia tafiditra soa aman-tsara eto avokoa, eny fa na ny entana efa tsy manarapenitra eo amin’ny sehatry ny tsena iraisam-pirenena aza dia tafiditra eto. Saika an-tsokosoko no nidiran’ny entana sasany taloha, fa manomboka izao dia tsy handaitra izany, araka ny tenin’ny filoham-pirenena. Mety hisy ihany aloha ny ronono avy any amin’ny firenen-kafa, hahazo alalana manokana rehefa voaara-mason’ny tompon’andraikitra.

Na dia ho sarotra aza ny asa eto dia tsara iny fandraisana fanapahan-kevitra iny. Farafaharatsiny mba mihena ny fidiran’ny entana an-tsokosoko. Ny tsena iraisam-pirenena tahaka itony moa dia sarotra araha-maso ihany. Aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no tena fifaharan’ny entana tsy manarapenitra sasany any ivelany any, ary tsy ny ronono ihany fa saika ny entana ilaina amin’ny andavanandro rehetra. Anjaran’ny malagasy mpanjifa no mamantatra ny entana vidiany fa efa mba nanao ny adidiny ny fanjakana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS