Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h10
 

Malagasy

Famotsiam-bola

Tsy misambotra olona ny Samifin

lundi 22 septembre 2008 | Hery A.

Tsy biby fampitahorana ny sampan’asa SAMIFIN misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Tsy mifankaiza loatra amin’ny asan’ny Bianco no sahaniny. Manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana mahakasika ny anjara asany avy izy roa tonta. Mampiavaka ny Samifin amin’ny Bianco, dia izy mpanao fanadihadiana ny fisian’ny vola tsy ara-dalàna amin’ny orinasa na fikambanana sns..., raha sahanin’ny Bianco kosa ny ady amin’ny kolikoly izay mahakasika ny olona sy sampan-draharaha tsy ankanavaka. Nahita vokatra sahady ity sampan’asa ity na dia vao am-bolana aza no nanao ny asany. Antontan-taratasy miisa 7 no efa anaovana fanadihadiana, ary ny roa amin’ireo dia efa eny anivon’ny fitsarana, ny fanadihadiana ihany rahateo no anjaran’ny Samifin sy ny Bianco.

Mazava ny ady amin’ny kolikoly fa ity famotsiam-bola ity no tsy fantatry ny maro. Malaza amin’ny sehatra masionaly anefa izy io ka ambara hoe « fanadiovana vola maloto ». Vola tsy fantam-pihaviana izany ity ambara ity. Matetika dia ny mpanao hetsika politika amin’ny firenena iray no voatonona ho mampiasa vola maloto. Mitombina io ! Ny firenena malagasy mahantra, kanefa ireo mpanao politika sasany tamin’ny fotoan’andro toa mahita vola naparitaka tamin’ny fifidianana sy nanakaramana mpikarama an’ady nanakorontanana firenena. Tsiambaratelo ny asan’ireo sampan’asa resahana eto ka anjaran’izy ireo no mampahafantatra amin’ny vahoaka ny antsipirian’ny vokatra hitany.
Eo amin’ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena sy ny fanakalozana vola vahiny no nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin fa tena ahitana ny fampisana ny vola maloto.

Tsy manana alalana hisambotra olona sy hanasazy ny Samifin fa miandraikitra ny fanadihadiana ihany ary manolotra ny raharaha eo amin’ny fampanoavana raha ilaina izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS