Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 19 mars 2024
Antananarivo | 11h49
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • « Fiverenana Andoharano »

    Aleo hilamina dia misesy

    samedi 10 janvier 2009 | Penjy R. |  753 visites
    Mbola misy raiamandreny azo hianteherana ve etoamin’ny firenena? Tsy ho avelanay ho potiky ny ady an-trano ny firenena Malagasy, hoy ny komity nasionaly mpamolavola “Ny “Fiverenana Andoharano”. Ny volana Aogositra no efa nanao antso avo teto amin’ny tanindrazana izahay, ka nahatonga ireo olobe isaky ny faritra nanao kaikavo ireo fotsy volo, toy ny tany Amoron’i Mania, ny hazo lava toy ny tany Toliara, ny tany Toamasina nanao barara. Midika izany, fa tsy hisy hifandraisany amin’ny hetsika politika (...)
  • Alatsinainy Bakaro

    Olona 250 voapoizina

    jeudi 8 janvier 2009 | Penjy R. |  1247 visites
    Fifaliana amin’ny fiaraha-misakafo no naleha, nefa aretina no azo. Marary mafy ny olona miisa 250 ao Alatsinainy Bakaro raha nihinana sakafo tao amin’ny FJKM Anjozoro ny alahady atoandro lasa teo. Composé no sakafo fampidirana voalohany, ary vita io, dia naroso ny vary sy laoka, ka hena omby no nilaofana ny vary. Taorian’io, dia ripaky ny aretina ny iray trano. Nifamonjena ny toeram-pitsaboana, saingy tsy naharaka izany ny mpitsabo tany an-toerana. Nandoa sy nivalana ny iray trano. Tsy naharaka (...)
  • Tonga i Andry Rajoelina

    Nahazo tso-drano avy any ivelany

    mardi 6 janvier 2009 | Penjy R. |  2832 visites
    Tsy misy antony tsy hamahan’ny fanjakana ny fitakiana izay napetrakay. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina manoloana ny fitakiana izay tsy maintsy hilam-baliny hatramin’ny 13 janoary ho avy izao. Raha nigadona teto an-tanindrazana tokoa ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina, dia nanambara fa nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro tany ivelany. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny eto Madagasikara no anton’izany fihaonana izany. Ny rivotra azo tamin’izao fialantsasatra izao, (...)
  • Depiote Jules Andriamaholison

    Tsy azo atao sorona ny toe-karena

    mercredi 31 décembre 2008 | Penjy R. |  956 visites
    Ampy izay. Tsy hanaiky ho atao fitaovan'ny mpanao politika hitadiavana toerana intsony ny mponina eto Iarivo. Ny fampandrosoana izao no maika, fa tsy ny hidirana indray ao anatin'ny ady saritaka izay tsy nahitana tombontsoa hatramin'izay. Io no nambaran'ny depiote Jules Andriamaholison, izay voafidy teto amin'ny boriborintany voalohany. Manomboka miarin-doha izao ny toe-karena. Samy mahatsapa izany isika rehetra. Mitodika aty Madagasikara, ny mason'izao tontolo izao, satria handray ilay (...)
  • Vondron’ny mpanohitra

    Hanapoaka ny sarom-bilany

    lundi 29 décembre 2008 | Penjy R. |  1525 visites
    Heverin'ireto mpanohitra ireto ho fanomezana omena ny fitondrana ankehitriny amin'io taona ho avy io ny fanapoahana ny sarom-bilany. Ny datin'ny 13 janoary sisa handrasan'izy ireo, dia lasa izao, hoy ireo mpivory. Fantatra ihany koa fa efa misy ny komity najoron'izy ireo hanainga ny vahoaka isam-pokontany, rehefa tonga ny fotoana. Ingahy Andry Rajoelina, izay nahazo vaton'Antananarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna no lasa kankana tsy fidiny hanjonoana ny fon'ny mponina eto. (...)
  • Mpiasa an-trano

    Avy any Ambatolampy ny 65%

    samedi 27 décembre 2008 | Penjy R. |  1536 visites
    Zaro amin'ny làlana tokony ho izy ny ankizy. Manana adidy lehibe amin'io ny ray aman-dreny, ka tsy tokony atao an-kinanga. Mazàna dia ny ankizy mitoetra irery amin'ny ray na reny, vokatry ny fisarahan'ny mpivady no tena hipetrahan'ny fahasahiranana noho ny tsy fahampian'ny fitiavan-dray sy reny amin'ilay zaza. Na mitoetra anilan'ny ray sy reny ihany koa aza anefa ny ankizy, dia matetika ny mpanampy no mikolokolo ireny zaza ireny, satria miasa ny ankamaroan'ny mpivady, ka tsy azo avela irery (...)
  • Herim-panoherana

    Hanao fotoam-bavaka iraisana etsy Mahamasina ?

    lundi 22 décembre 2008 | Penjy R. |  1154 visites
    Eto no ivon'ny hetsika rehetra momba ny raharaham-pirenena. Izay mitranga eto, dia manaraka avokoa ny any amin'ny faritany. Taorian'ny zava-nisy ny herinandro lasa teo, dia tazana eto avokoa ireo mpitarika politika rehetra avy any amin'ny faritra samy hafa. Ny antony, dia miandry izay hitranga eto, ka hanamafy tosika izay hiseho. Raha vao nivory niaraka tamin'ny mpanohitra tokoa ingahy Andry Rajoelina, dia efa tafapaka any amin'ny faritra samy hafa sahady izany. Misy mihitsy ny mikasa ny (...)
  • TIM Analamanga

    Tafapetraka ny birao vaovao

    lundi 22 décembre 2008 | Penjy R. |  503 visites
    Vita ny kongresy rezionaly nataon'ny antoko TIM ny faran'ny herinandro teo. Vita ihany koa ny fe-potoana niasan'ireo birao teo aloha, ka nandray ny toerany ny birao vaovao. Tsangan-tanana teo anoloan'ny mpizaika rehetra, no nandaniana ireo birao vaovao teo anivon'ny TIM faritra Analamanga ny sabotsy teo. Lany tsy nisy nitsipaka ho filoha i Fidy Ratsimbazafy. Fantatry ny maro tsara izy io, satria filohan'ny faritra Analamanga ankehitriny. Ny filoha lefitra voalohany kosa, dia ny depiote (...)
  • Dinika eny Iavoloha anio

    Tsy hiandry izay tsy vonona ny filoha

    mercredi 17 décembre 2008 | Penjy R. |  758 visites
    Tsy naharototra ny antoko politika ny antso nataon'ny filoha Ravalomanana, amin'ny dinika ho atao eny Iavoloha anio. Hametraka ny sata hifehy ny antoko politika ny tanjona anio, nefa maro ireo antoko milaza tsy ho eny. Tao anatin'izay fotoana vitsy nanaovan'ny filoha Ravalomanana antso avo izay, dia efa fantatra ireo antoko tsy ho eny Iavoloha anio. Isan'io ny CRN, tarihan'ny Profesora Zafy Albert. Ny Akfm misy an-dramatoa Gisèle Rabesahala, ny "Fihavanantsika" tarihan'ny pasitera Daniel (...)
  • Vidin-tsolika

    Mitsentsitra ny ran’ny Malagasy

    mardi 16 décembre 2008 | Penjy R. |  687 visites
    Very maina ny ezaka atao eto, raha tsy voajery haingana ity resaka vidin-tsolika eto Madagasikara ity. Ny antony, dia voalaza fa tafakatra 7,5% ny fisondrotry ny harin-karena eto amintsika. Tsy hita anefa ny fiantraikany izy io noho ny afitsoky ireto goaibe mpanafatra solika vahiny ireto. Nidina 45 dolara ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, nefa mbola zara raha nahitana fidinany ny vidiny eto amintsika. Midika izany fa misy fitiavan-tena ny ataon'izy ireo, hoy (...)
  • Fampihavanam-pirenena

    Voadaka ny fanirian’ny CRN

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  752 visites
    Tsy isan'ny ho dinihana ao anatin'ny sata hifehy ny antoko politika ny resaka fampihavanam-pirenena sy ny raharaha 2002. Toy izany koa ny famoahana ireo gadra politika eto amintsika sy ny famerenana ny fifidianana. Saika fangatahan'ny CRN avokoa ireo. Voadaka hatreto ny fanirian'ny CRN izay tarihin'ny Profesora Zafy Albert. Mirona betsaka amin'ireo fitakiana ireo tokoa ny hetsiky ny CRN, ary nanambara izy ireo fa tsy handray anjara amin'io fivoriana io, raha toa ka tsy voavaha ireo (...)
  • Farimbon’i Madagasikara vaovao

    « Ataon-dRavalo « vitrine » ny antoko politika »

    lundi 15 décembre 2008 | Penjy R. |  1277 visites
    "Tsy ho eny Iavoloha izahay ato amin'ny Farimbon'i Madagasikara vaovao", hoy i Pierre Andrianantenaina. Ny antony, dia toa fisehoana ivelany no betsaka fa tsy ny tena ahasoa ny fanaovana politika eto. Mirotoroto ny mpitondra hanao ity sata ity, saingy izay ve no maika ? Ny maharototra ny olona izao araka ny hevitry ny "Farimbon'i Madagasikara vaovao", dia ny fijerena ny fahoriam-bahoaka sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Ny Etika politika no tokony himasoana fa tsy ny lalàna hifehy ny (...)
  • Pierre Houlder sy ny Arema

    Aza gadraina Ratsiraka

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  1608 visites
    "Aleo haneho ny heviny Ratsiraka, satria manana zo feno izy amin'ny tsikera ataony izao fitondrana izao". Io no nambaran'ingahy Pierre Houlder, sekretera nasionalin'ny antoko AREMA, manoloana ny fihazakazaky ny tsikera ataon'i amiraly Ratsiraka miainga any Paris. Malagasy feno ity nitsoam-ponenana ity, ka mba avelao izy hody an-tanindrazana. Maro ireo Malagasy nitsoam-ponenana tahaka azy momba ny raharaha 2002. Misy tamin'izy ireo no maty fianakaviana teto, nefa tsy mba afaka nanatrika (...)
  • Fanalefahan-tsazy ho an’ny gadra

    Mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony

    vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R. |  903 visites
    Miditra an-tsehatra amin'ny fangatahana famelan-tsazy ho an'ny gadra rehetra eto Madagasikara ny mpanao politika vitsivitsy. Tsy famotsoran-keloka faobe, fa famindram-po, toy ny fanaon'ny filoham-pirenena isaky ny faran'ny taona. Tsy dia hita firy intsony izy io tao ho ao, ka izay no nahatonga ny andiana tanora niroso amin'ity hetsika ity. Taona vitsy lasa izay, dia niroso nanantona ireny fikambanana miaro ny zon'ny voafonja ireny ireto mpikambana ao amin'ny antoko politika vitsivitsy (...)
  • Finoana sy politika

    Voahilika ny sekta

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2295 visites
    Tsy olom-pirenena ve izahay fiangonana ivelan'ny FFKM ? Fanontaniana miendrika taraina no nataon'ireo fiangonana hafa ivelan'ny FFKM, raha nandre fa nantsoin'ny filoha Ravalomanana ireo fiangonana efatra lehibe eto amintsika ny talata lasa teo. Manana ny hevitra ahafahana mampandroso ny firenena izahay. Tsy ho latsa-danja amin'izay efa fanehoan-kevitra nataon'ny hery samy hafa ny anay raha eo amin'ny lafiny politika. Ny mampalahelo anefa dia toa heverin'ny sasany fa fiangonana "kely" (...)
  • Mani-te hody Ratsiraka

    jeudi 11 décembre 2008 | Penjy R. |  2144 visites
    Nisesisesy ny fanehoan-kevitra ataon'ny amiraly Ratsiraka ho an'ny vahoaka Malagasy. Fanehoan-kevitra amin'ny alàlan'ny sary «vidéo» sy antso an-tariby miainga avy Paris. Ny tsy fahombiazan'izao fitondran-dRavalomanana izao amin'ny lafiny rehetra no ventesiny amin'izany. Ny mbola fisian'ny delestazy manerana ny faritra maro eto amintsika toy ny any Antsiranana sy Fianarantsoa no nanakianany ity fitondrana ity indray. Efa nidina ny vidin'ny barilan'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, (...)
  • Izay manan-tsofina aoka ihaino

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  640 visites
    Misy fotoanany ny zava-drehetra. Tonga ny fotoana afahana mihaino ireo tsy mitovy hevitra rehetra eto amin'ny firenena. Tsapa amin'ny antso avo ataon'ny filoham-pirenena momba ny handinihana haingana ny sata hifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Io tokoa angaha ny làlana ahafahana miroso any amin'ny fampandrosoana, satria raha tsy tafapetraka ny fitoniana politika, dia ho zava-poana avokoa ny ezaka rehetra izay ho atao. Raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, (...)
  • Mahantra ny tantsaha

    Miditra an-tsehatra ny mpanam-bola

    mercredi 10 décembre 2008 | Penjy R. |  1029 visites
    Ny 80% eto Madagasikara dia hambara ho tantsaha. Ny 75% ny Malagasy ihany koa anefa, dia hambara fa miaina ao anatin'ny fahantrana. Midika izany fa mahantra ireo tena mivelona ao anatin'ny fambolena, dia ireo Malagasy tena miaina any ambanivolo rehetra any. Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Eo ny olana eo amin'ny fananan-tany. Sahirana ireo tantsaha vao tena mahazo tany afaka ho volena. Tsy ampy ihany koa ny fotodrafitr'asa afahan'ny tantsaha tena mivelona amin'ity fambolena ity. (...)
  • Satan’ny antoko politika

    Tsy manaiky ho gisitra ny AVI

    mardi 9 décembre 2008 | Penjy R. |  447 visites
    Vonona ny tolo-kevitra amin'ny sata hifehy ny antoko politika ho aroson'ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). Efa ela no niandrasana izany ka handray anjara amin'ny ady hevitra kasain'ny fitondrana ho atao ity antoko tarihan'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity. Hatramin'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena dia tsy mbola nisy fitondrana nana-kevitra tena hametraka ny antoko mpanohitra amin'ny toerana hisy azy. Tsy nahita sehatra malalaka sy ara-pomba demokratika nahafahana (...)
  • Hery Rafalimanana

    Tsy lavo fa potraka

    lundi 8 décembre 2008 | Penjy R. |  1967 visites
    Herintaona izay no naharesy ahy teo amin'ny fifidianana, herintaona ihany koa nangalako fisainana lalina. Ampy izay ny fahanginako, ka hanehoako ny tena marina. Io no nambaran'ingahy Hery Rafalimanana tao amin'ny Aceem Radio ny faran'ny herinandro teo. Nilaza izy tamin'izany fa adinon'ny TIM tanteraka ny tenany taorian'iny fifidianana ho Ben'ny tanàna ny taona 2006 iny. Ampy hisainako ny nataon'ity antoko ity ahy. Teknisianina tao amin'ny Magro aho no nantsoina ho kandidà ho Ben'ny tanàna. (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 200

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS