Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h14
 

Teny zato, kabary arivo

Mani-te hody Ratsiraka

jeudi 11 décembre 2008 |  2145 visites  | Penjy R.

Nisesisesy ny fanehoan-kevitra ataon’ny amiraly Ratsiraka ho an’ny vahoaka Malagasy. Fanehoan-kevitra amin’ny alàlan’ny sary « vidéo » sy antso an-tariby miainga avy Paris. Ny tsy fahombiazan’izao fitondran-dRavalomanana izao amin’ny lafiny rehetra no ventesiny amin’izany.

Ny mbola fisian’ny delestazy manerana ny faritra maro eto amintsika toy ny any Antsiranana sy Fianarantsoa no nanakianany ity fitondrana ity indray. Efa nidina ny vidin’ny barilan’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nefa toa tsy misy fiantraikany eto amintsika izany, hoy izy. Ny resaka fahasalamana momba ny masony eo ihany, nefa nanamafy ny lehilahy fa salama izy na dia misy indro kely tokoa aza izany maso izany. « Tsy jamba araky ny nambaran’ny sasany aho », hoy ihany Ratsiraka. Raha ny feo mandeha eo anivon’ny antoko noforonin’ingahy amiraly, dia maniry ny hody eto Madagasikara fatratra ny izy mivady. Tsy ity taona ity anefa no hikasany hodiana an-tanindrazana, fa mialohan’ny fivoriana an-tampony aty Afrika izay i Madagasikara no handray izany. Mani-te hody Ratsiraka, hoy ny AREMA, saingy misy fotoanany ny zava-drehetra. Ireo mpanara-dia azy nandositra any ivelany kosa, dia toy ny kofehy manaram-panjaitra fotsiny hatreto.

Raha ireny fanambarana nisesisesy tao ho ao ireny no tazanina, dia mahatsapa ny rehetra, fa mitsapa ny halalin’ny rano ity filoham-pirenena teo aloha ity. Mbola hiverina amin’izay efa naloany ve ny vahoaka ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS