Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 07h55
 

Malagasy

Satan’ny antoko politika

Tsy manaiky ho gisitra ny AVI

mardi 9 décembre 2008 | Penjy R.

Vonona ny tolo-kevitra amin’ny sata hifehy ny antoko politika ho aroson’ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana). Efa ela no niandrasana izany ka handray anjara amin’ny ady hevitra kasain’ny fitondrana ho atao ity antoko tarihan’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana ity.

Hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena dia tsy mbola nisy fitondrana nana-kevitra tena hametraka ny antoko mpanohitra amin’ny toerana hisy azy. Tsy nahita sehatra malalaka sy ara-pomba demokratika nahafahana nitondra vahaolana ho fampandrosoana marina ho an’ny firenena. Ny mifanohitra amin’izany foana no nataon’ny fitondrana nifandimby teto.

« Misabaka »

"Ny taona 2002 izahay AVI, hoy ingahy Laurent Ramaroson no efa niomana tamin’ity sata hifehy ny antoko politika indrindra fa ny aty amin’ny fanoherana.

Takian’ity antoko ity ny olona ho filoham-pirenena mba olona nivoaka avy amin’ny antoko politika. Ireo olom-boafidy ihany koa dia tokony hanana zo feno ny antoko niaviany na io ben’ny tanàna, na ihany koa depiote ny fanalàna azy amin’ny andraikiny raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny antoko niaviny ny ataony.

Mahatsapa ity antoko nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ity, fa tao anatin’ny 48 taona, dia tsy nanana zo aman-kasina ny antoko tsy ao anaty fitondrana. Nanjakazakan’ny antoko politika vao noforonin’izay olona nahazo fitondrana ny sehatra rehetra. Mazava ho azy fa ny olon’io antoko vao nahazo fahefana io no nibahana ny nanjakazaka. Voageja ny antoko hafa, ka nisy fiantrakainy teo amin’ny lafiny maro. Isan’io ny tany amin’ny toeram-piasana, ka nafindra toerana ireo izay tsy mitovy fomba fijery, ary notapahana ny karama ho an’ny sasany. Ampahany ihany ireo voatanisa ireo, ary izay no namolavolana ity sata hifehy ny antoko politika ity. Tsy mpanohitra na mpanohana izahay, fa misabaka hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko, satria ny Malagasy tsy tia zavatra henjana, mety hiteraka savorovoro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS