Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Malagasy

Pierre Houlder sy ny Arema

Aza gadraina Ratsiraka

vendredi 12 décembre 2008 | Penjy R.

« Aleo haneho ny heviny Ratsiraka, satria manana zo feno izy amin’ny tsikera ataony izao fitondrana izao ». Io no nambaran’ingahy Pierre Houlder, sekretera nasionalin’ny antoko AREMA, manoloana ny fihazakazaky ny tsikera ataon’i amiraly Ratsiraka miainga any Paris.

Malagasy feno ity nitsoam-ponenana ity, ka mba avelao izy hody an-tanindrazana. Maro ireo Malagasy nitsoam-ponenana tahaka azy momba ny raharaha 2002. Misy tamin’izy ireo no maty fianakaviana teto, nefa tsy mba afaka nanatrika izany. Hevitra politika no tsy niraisana, ka tsy efa fotoana tokony hanadinoana iny fifandonana iny ve izao. « Ny filoha Ravalomanana efa nilaza hoy ingahy Houlder, fa ny fery tsy nikombona toy izay efa homamiadana, koa tsy andeha hakatona ny fery ? »

« Tsy sanatria manolo-bato mafana ny amiraly Ratsiraka sy ireo mpiara-dia aminy aho milaza hoe modia. Rehefa tena mitoetra amin’ny mpitondra ankehitriny ny fanadinoana izay nitranga, tsy hanagadra an-dRatsiraka i Ravalomanana »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS