Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h29
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Lalàm-pifidianana

    Ho lasa lavenona ?

    lundi 7 janvier 2008 | Penjy R. |  323 visites
    Tsy manisy resaka ny momba ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara intsony ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ka ny eo amin’ny fanoherana sisa no mbola manao litania io. Lalàna iray ahafahana mampanjaka ny demokrasia eto Madagasikara anefa io fanovana io, ary na ingahy Rakotovazaha Olivier, SG ao amin’ny antoko MFM, aza tao amin’ny fahita lavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo, dia nanambara fa efa tamin’ny taona 2000 ny antoko politika maro no nitaky io, ary maro (...)
  • Tsaingoka

    Nifanotofana i Pasitera Richard A.

    samedi 5 janvier 2008 | Penjy R. |  1143 visites
    Nandritra ny kabarin’ny filoha Ravalomanana omaly no nisy naneho ny hafaliany nahita ny Pasitera Andriamanjato nanatrika ny lanonana teny an-toerana. Rehefa vita ny kabary nifandimbiasana dia nilahatra niarahaba an’i Pasitera izay hambara ho mpanohitra ny filohan’andrim-panjakana misy teto, ary dia nalaza tampoka tao amin’ny lapa i Pasitera Andriamanjato Richard. Raha tsy niteny iny ve ny filoha Ravalomanana moa niarahaba azy ireto olom-panjakana ireto ? Ny tsapa aloha, dia hay afaka mifanoroka (...)
  • Fanondrotana karama

    Maivana ny 10% hoy i Mailhol

    jeudi 3 janvier 2008 | Penjy R. |  691 visites
    Tsy mifanentana amin’ny fiakatry ny vidim-piainana ny tolotra 10% nataon’ny filoha Ravalomanana ho fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity taona 2008 ity. Inona no vitan’io raha mitaha amin’ny sondro-bidy hiainan’ny Malagasy ankehitriny ? Nitodika tamin’ny fiainan’ny Malagasy tamin’ny taona 2002 ny Pasitera Mailhol, izay nanambara fa potika ny toe-karena teo, kanefa mbola nahazo hatrany amin’ny 12% io fisondrotry ny karama io. Tafakatra 6,5% ny tahan’ny harin-karena araky ny nambaran’ny (...)
  • Jeneraly Ramakavelo

    Niaiky fa nisy ny zava-bita

    vendredi 28 décembre 2007 | Penjy R. |  886 visites
    Raha nitanisa fohy ireo heverina fa nanamarika ny taona 2007 ny jeneraly Ramakavelo dia ny vidin-tsolika no tena hita nibahan-toerana tamin’izany, ary nanampy trotraka izany ny delestazy izay mbola tsy hita fiafarany hatramin’izao. Nisy zava-bita toy ny fiovan’ny endrika teto Antananarivo, ary manomboka ihany koa ny fanaovana ireo trano lehibe fandraisam-bahiny. Tokony hisy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra mba ho tena hipaka any amin’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjara (...)
  • Fianarantsoa

    Afaka nadiodio i Ialy Rakotoniaina sy ny namany

    mardi 18 décembre 2007 | Penjy R. |  529 visites
    Nandritra ny famoahana ny didim-pitsarana ny raharaha nahamay ny oniversite tany Fianarantsoa volana vitsy lasa izay, dia vory lanona manoloana ny lapan’ny fitsarana tany an-toerana ny mponina liana ny ahalala ny marina momba ity raharaha ity. Tsy diso anjara amin’ny raharaha tahaka izao koa anefa ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny EMMO/FAR izay miandrana ambava-basy tanteraka manoloana io fitsarana io, sao misy mihoam-pefy. Nandritra ny ora maro no niaretan’ny mponin’i (...)
  • Faizo ny maditra !

    vendredi 14 décembre 2007 | Penjy R. |  891 visites
    Mitondra henatra ho an’ny firenena ny fandrenesana ny hala-bato nataon’olona teto an-drenivohita ny alarobia lasa teo izay hita ankarihary, toy ny fahitana biletan’ny kandida any anaty valopy, ny fandrotsahan’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato bileta maro ao anaty vata, sy ny fividianana olona tsy amin-tahotra intsony. Tsy takona afenina imasom-bahoaka ireo fihetsika ireo, izay heno fa efa nandraisana fepetra manokana ny olona nahavita io halatra ho an’ny kandida iray io. Takian’ny maro ny (...)
  • Razakarimanana Ferdinand

    Tsy leo politika ny vahoaka

    vendredi 14 décembre 2007 | Penjy R. |  617 visites
    « Diso ny resaka mandeha manambara fa leo politika ny vahoaka malagasy raha raisina ohatra ny fihazakazahan’ny maro naneho ny safidiny ny alarobia 12 desambra teo. Tsy mana-tsafidy izy ka dia aleony mangina kanefa sendra ny olona heverina fa ahavaha ny olana mianjady aminy izy ireo ka iny nirohotra nandatsa-bato ho an’i Andry TGV iny ». Io no nambaran’ny PDS teo aloha teto amin’ny faritra Analamanga Razakarimanana Ferdinand, ary notsindriany fa fanairana ho an’ny fanjakana iny, tsy handidy (...)
  • Safidy masina

    mardi 11 décembre 2007 | Penjy R. |  696 visites
    Rahampitso no hiatrika ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ny vahoaka Malagasy, ary ity no fifidianana heverina fa manakaiky ny vahoaka indrindra. Mialohan’ny andro rahampitso anefa dia manana fotoana hieritreretana tsara ny vahoaka tamin’ny fandaharan’asa naroson’ny ireo mpifaninana ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina miaraka aminy, satria ny vato iray harotsakao rahampitso no antoky ny fampandrosoana ny tanàna misy anao. Safidy masina io, ary izay no ilaina ny rehetra mba samy ho mailo manoloana (...)
  • Tsy mandaitra

    lundi 10 décembre 2007 | Penjy R. |  623 visites
    Hiatrika fifidianana indray isika vahoaka Malagasy ny alarobia izao, izay fifidianana heverina fa manakaiky indrindra ny vahoaka, ary ho azo antoka fa ho maro ny mponina no hanefa ny adidiny. Ahiahy anefa no mameno ny sain'ireo kandida sy ny mpanaradia azy noho ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny endriny samy hafa, izay miainga amin'ny fividianana ny vaton'ny mpifidy, ny fitaomana olona avy amin'ny faritra samy hafa handatsa-bato ho an'ny kandida iray sy ny fanomezana ordonasy maro, mba (...)
  • Ifandroritana Iarivo

    mercredi 28 novembre 2007 | Penjy R. |  607 visites
    Ny ora fisokafan’ny fampielezan-kevitra no nandrasana dia lasa izao, hoy ilay fomba fiteny izay, ary dia nanaraka ny arabe ny fanohanana ny kandida manerana ny faritry Iarivo omaly. Izay nivoaka babany avokoa, ary hifampiderana ny mahatanora ahavita hanarina an’ity renivohitra ity. Tsara izany fandraisana andraikitra izany, satria renivohitra tsy natao ho an’olotokana ity fa an’ny malagasy tsy vaky volo. Tsy hidirana lalina ny fampanantenana nataon’ny kandida tsy azo tanterahina ao anatin’ny (...)
  • Fampielezan-kevitra

    Nampiseho hery ny kandida TIM

    mercredi 28 novembre 2007 | Hery A., Penjy R. |  421 visites
    Omaly maraina tontolo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rafalimanana, natolotry ny antoko TIM ho mpifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanana amin’ny faha 12 desambra ho avy izao. Vory lanona tetsy amin’ny tokotanin’ny « Auditorium » etsy Ankorondrano ireo mpanohana ity kandida ity nahitana fikambanana isankarazany eto an-drenivohitra. Nanotrona an’atoa Rafalimanana teto ireo birao maharitry ny antoko TIM tarihan’ny filohany atoa Yvan (...)
  • Nivadika ny palitao

    mardi 27 novembre 2007 | Penjy R. |  857 visites
    Rakotry ny tsy miankina ny tanàna raha ny mpifaninana hilatsaka ho ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina no asian-dresaka, saingy misy ihany koa ireo tsy nanary ny anaran’ny antoko nisy azy kanefa ireo eo anivon’ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy sisa mbola nitazona io anaran-dray io. Tsy mahatoky ny antoko nisy azy intsony ny hafa ka na dia mitoetra aza ny foto-kevitra nanabeazana ny olona tsirairay, dia ny seza tsy mahalala izany, ary ny vahoaka mila zava-baovao, ka aleo manova anarana no (...)
  • 8 volana nampiaiky ny vahiny

    vendredi 23 novembre 2007 | Penjy R. |  1007 visites
    Tsy mena-mitaha amin'ny renivohitra hafa ny eto Iarivo raha ny ezaka vita teto, ary isan'ny nampiaiky ny vahiny izay niatrika ny "Métropolis" io ezaka io, na teo amin'ny lafin'ny fahadiovana na teo amin'ny lafiny fandriampahalemanana. "Maro ny ezaka vitan'ny ben'ny tanana nodimbiasako teo ka tsy sarotra tamiko ny nitondra ny fahaizako amin'ny fitantanana, izay hisaorana betsaka ny vahoaka mpandoa hetra nahatsapa ireo ezaka ireo ka mora taminy ny nanefa ny adidiny. Diso ny filazan'ny hafa (...)
  • Niaka-peo i Moxe

    mercredi 21 novembre 2007 | Penjy R. |  1280 visites
    Hatezerana ny an’i Moxe Ramandimbilahitra raha nandre ny fihetsika mamoafady nataon’ny talem-paritry ny fampianarana tany Toliara izay tsy nanaja ny zon’olombelona. Tratry ny famindran-toerana tampoka ny kandida natolotry ny TEZA tany Sakaraha izay ny talem-paritry ny fampiaranana ao Toliary no nanao izany. Mpampianatra io kandida io, solontenan’ity antoko ity eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana tany amin’io faritra io ihany koa ary dia izao nahazo famindran-toerana tampoka izao. Tsara ny (...)
  • Indray mandingana

    mardi 20 novembre 2007 | Penjy R. |  571 visites
    Nandresy ny ekipan’ny nosy kely tatsy Comores indray izany ny Barea ny sabotsy lasa teo, izay làlana nanala ny sakana ahafahana mandray anjara amin’ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny 2010. Dingana tsara izany mandresy ary tamin’ny isa mavesatra no nandavona ity nosy Comores ity, nefa tsy hijanona hatreo ny ezaka heverina fa tokony hatao. Ho fantatra tsy ho ela ireo iray tarika amin’i Madagasikara amin’io taranja baolina kitra io aty Afrika, ary azo heverina fa ho henjana no miandry (...)
  • Vidin-tsolika

    Tsy mahataitra intsony ny fiakarany

    vendredi 16 novembre 2007 | Penjy R. |  374 visites
    Tao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nijoroan’ny fikambanan’ny mpitantana mpanijara solika eo anivon’ny Galana omaly no nanambaran’ny filohany, Rakotozafy Martin, fa mampilaza dien’izao ry zareo fa miakatra andro aman’alina ny vidin’ny barila ny solika eran-tany ka hisy fiantraikany eto Madagasikara izany sondro-bidy izany. Tsy ny mpitantanana mpaninjara no mampiakatra izany fa ny rivotra mitsoka eran-tany. Nohamafisin’izy ireo fa 25 ar isaky ny litatra no mba vola miditra ho an’ny (...)
  • Te-ho vedety

    jeudi 15 novembre 2007 | Penjy R. |  896 visites
    Mba gaga ihany ny maro raha mahita ireto kandida hafa te-hilatsaka ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina manerana ny faritra maro eto Madagasikara, kanefa na ny bileta ho fidian’ny vahoaka aza zara raha vita. Toerana iray tsy lavitra ny Renivohitra no ahitana fa taratasy tsotra fotsy misy fitomboka no mba bileta ho ben’ny tanàna sy ho an’ireo mpanolon-tsaina. Ny finiavana hampandroso tanàna angamba betsaka fa ny ho enti-manana no tsy misy ? Ny hafa dia toa atao kilalao ny filatsahana ho fidiana, ka (...)
  • Hiverina ny teo aloha

    mardi 13 novembre 2007 | Penjy R. |  840 visites
    Tsy ny mpitondra izay nesorina tamin’ny toerany akory no hiverina fa ilay tombontsoa nambara fa tsy ho azon’ny depiote intsony no indro manangasanga ny fiverenany. Ny fitakiana ny karama hiakatra dia tsy re eny Tsimbazaza, fa ny fitaovana ho entina miasa eny anivon’ny faritra naha-voafidy ny tsirairay no ilaina. Saika handrenesana izany avokoa ireo depiote maro eny Tsimbazaza, ka isan’io ny fanomezana 4X4 toy ny teo aloha ho azy ireo. Na ho vidiana aza, hoy ny hafa, tsy maninona fa kosa alaina (...)
  • Malagasy

    mardi 13 novembre 2007 | Penjy R. |  791 visites
    Ben’ny tanànan’Iarivo : Olom-baovao izy rehetra Tsy maro nefa tsy vitsy ihany koa ny isan’ireo kandida nila-tsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna sy ny listra mpanolon-tsaina eto Iarivo rehefa nifarana omaly ny fandrotsahana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana manerana an’i Madagasikara. Enina ireo kandida ho Ben’ny tanàna izay ahitana an’i Andrianarivo Andrianasolo Jonah mitondra ny listry ny « Zaikaben’i Imerina », ny kandida Marc Ramiaranjatovo MDV, Hery Rafalimanana TIM, Andry Rajoelina TGV, Nasolo (...)
  • Hioso-potaka

    mercredi 7 novembre 2007 | Penjy R. |  646 visites
    Mby tonga ao an-tsain'ny betsaka ny mety ho endriky ny fampielezan-kevitra rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra tahaka izao ny eto amintsika. Fampielezan-kevitra izay ahitana ny ory sy ny manana amin'ny lafiny maro. Eo ny fampiderana fitaovana sy ny vola, ka na dia ben'ny tanàna aza no hofidiana dia tsy hilaozan'ny kandida na ny mpanohana azy tsy hampiasa Helikoptera sy ny 4x4 izany, mba handresena lahatra ny vahoaka hifidy ny kandida izay tohanany. Izao filatsahan'ny orana izao no tena (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS