Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 19h14
 

Teny zato, kabary arivo

Faizo ny maditra !

vendredi 14 décembre 2007 |  891 visites  | Penjy R.

Mitondra henatra ho an’ny firenena ny fandrenesana ny hala-bato nataon’olona teto an-drenivohita ny alarobia lasa teo izay hita ankarihary, toy ny fahitana biletan’ny kandida any anaty valopy, ny fandrotsahan’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato bileta maro ao anaty vata, sy ny fividianana olona tsy amin-tahotra intsony. Tsy takona afenina imasom-bahoaka ireo fihetsika ireo, izay heno fa efa nandraisana fepetra manokana ny olona nahavita io halatra ho an’ny kandida iray io. Takian’ny maro ny hampiharana ny sazy faran’izay henjana ho an’ny mpangalatra, ary faizo ny maditra ho anatry ny aty afara. Ny atody hangalarina hono hidirana am-ponja telo taona, fa mba ahoana itony mpanodina ny safidim-bahoaka itony ? Tsy hanavahana tavan’olona io fa izay vandana dia kary koa handrasana ny sazy mety hihatra amin’ireo karazan’olona voatohitohina amin’ny hala-bato manerana an’i Madagasikara ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS