Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Malagasy

Fianarantsoa

Afaka nadiodio i Ialy Rakotoniaina sy ny namany

mardi 18 décembre 2007 | Penjy R.

Nandritra ny famoahana ny didim-pitsarana ny raharaha nahamay ny oniversite tany Fianarantsoa volana vitsy lasa izay, dia vory lanona manoloana ny lapan’ny fitsarana tany an-toerana ny mponina liana ny ahalala ny marina momba ity raharaha ity.

Tsy diso anjara amin’ny raharaha tahaka izao koa anefa ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny EMMO/FAR izay miandrana ambava-basy tanteraka manoloana io fitsarana io, sao misy mihoam-pefy. Nandritra ny ora maro no niaretan’ny mponin’i Fianarantsoa io famoahana didy omaly, ary nilamina tanteraka ny vahoaka teo am-piandrasana ny didy.

Nivoaka tokoa izany didim-pitsarana izany ka tamin-kafaliana lehibe no nandraisan’ny vahoaka izany. Afaka soa aman-tsara ny vadin’ny ben’ny tanàna teo aloha, Ialy Rakotoniaina sy ireo voarohiroy niaraka taminy niisa dimy ambin’ny folo. Eny fa na ireo tsy nitranga teo anatrehan’ny Fitsarana aza fa mbola any am-piafenana.

Moa va izao tsy mampibaribary fa mahaleo-tena ny fitsarana ? Efa ela no nangataka fahafahana vonji-maika i Ialy saingy tsy nahazo izany. Nefa moa izao izy afaka madiodio izao raha ny vaovao azo farany avy any Fianarantsoa rehefa avy nandalo ny fitsarana azy sy ireo namany.

Velom-bolo tokoa ny zanany fa hiaraka hifety amin’ineny na mbola tsy eo aza i dada.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS