Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 19h27
 

Teny zato, kabary arivo

Nivadika ny palitao

mardi 27 novembre 2007 |  858 visites  | Penjy R.

Rakotry ny tsy miankina ny tanàna raha ny mpifaninana hilatsaka ho ben’ny tanàna sy ny mpanolon-tsaina no asian-dresaka, saingy misy ihany koa ireo tsy nanary ny anaran’ny antoko nisy azy kanefa ireo eo anivon’ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy sisa mbola nitazona io anaran-dray io.

Tsy mahatoky ny antoko nisy azy intsony ny hafa ka na dia mitoetra aza ny foto-kevitra nanabeazana ny olona tsirairay, dia ny seza tsy mahalala izany, ary ny vahoaka mila zava-baovao, ka aleo manova anarana no mety. Ny 90% ny kandida milatsaka ho ben’ny tanàna sy mpanolon-tsain’ny tanàna, dia mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana na ihany koa fikambanana vao noforonina tampoka teo. Olon’antoko avokoa anefa ireo, saingy tsy maintsy navadika vetivety ny palitao rehefa hiatrika fitsaram-bahoaka tahaka izao. Eto no hisintonana ny sain’ny rehetra mba ho modely ny fanaovana politika fa tsy sanatria natao ho fitadiavam-bola sy voninahitra ho amin’ny tombontsoan’ny tena manokana, ka lasa sorona tsy fidiny ny antoko manoloana izany fitiavan-tena sy fanaovana lela may isaky ny mihetsika izao. Io no mahatonga ny hafa hilaza fa leo politika, ka mila olom-baovao, ary tsy ho diso isika raha endrik’olona vaovao avokoa no tazana eny Tsimbazaza, dia io hanaranaka aty amin’ny fifidianana kaominaly io ihany koa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS