Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 11h16
 

Teny zato, kabary arivo

Hiverina ny teo aloha

mardi 13 novembre 2007 | Penjy R.

Tsy ny mpitondra izay nesorina tamin’ny toerany akory no hiverina fa ilay tombontsoa nambara fa tsy ho azon’ny depiote intsony no indro manangasanga ny fiverenany. Ny fitakiana ny karama hiakatra dia tsy re eny Tsimbazaza, fa ny fitaovana ho entina miasa eny anivon’ny faritra naha-voafidy ny tsirairay no ilaina. Saika handrenesana izany avokoa ireo depiote maro eny Tsimbazaza, ka isan’io ny fanomezana 4X4 toy ny teo aloha ho azy ireo. Na ho vidiana aza, hoy ny hafa, tsy maninona fa kosa alaina tsikelikely amin’ny karama. Ny filoha Ravalomanana tany Mandoto raha nanolotra ilay fiara 4x4 ho an’ny depiote tany an-toerana, dia nanamarika fa tsy mitsipaka ny voalazan’ny governemanta ny tenany fa azo jerena ihany koa ny hafa hoy izy. Maro an’isa ny kandidam-panjakana koa tsy hino ve ny maro fa tsy ahazo izany ireo depiote ireo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS