Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h42
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Loholona Moxe Ramandimbilahitra

    Tsy mila fikaonandoham-pirenena

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  786 visites
    Efa ela no niandrasana ny sata handrafitra ny antoko politika eto Madagasikara. Tonga ity ny fotoana, hiarahan'ny antoko rehetra midinika. Efa nisy ny volavola sata nataon'ny sehatra tsy miankina niaraka tamin'ny mpamatsy vola teny Maibahoaka Ivato sy tetsy amin'ny Hilton tamin'izany. Tsy hita fiafarana anefa ireny. Ankehitriny hantenaina fa mbola azo atao tsara ny miainga amin'ireo fehin-kevitra nivoaka tamin'izany, satria zava-dehibe ny tapaka nandritra ireo fivoriana roa ireo. Isan'ny (...)
  • Mihetsika ny mpanohitra

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  1166 visites
    Rahampitso no hikaondoha etsy amin'ny foiben'ny AKFM Andravoahangy ambony ny mpanohitra rehetra. Manoloana ny firosoan'ny fanjakana hanao ilay fivoriana miaraka amin'ny antoko rehetra afaka andro vitsivitsy no anton'io. Antoko manodidina ny 20 no handray anjara amin'izany. Voalaza fa manana ny fijeriny momba ity fivoriana ity ny antoko ivelan'ny fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Na ny CONECS, na ny SEFAFI, na ny FFKM na ny KMF/CNOE dia nana-kambara foana raha ny fiainana ara-politika sy (...)
  • Lalana hifehy ny antoko politika

    Be ny miandry fampiavanam-pirenena

    lundi 1er décembre 2008 | Penjy R. |  1191 visites
    Lalana hifehy ny antoko politika Be ny miandry fampiavanam-pirenena Tonga ilay nandrasana. Hiroso amin'ny sata hifehy ny antoko politika isika eto Madagasikara. Ny fanjakana no hitarika izany, ary handray anjara avokoa ireo hambara fa antoko politika mahatratra 187 eto Madagasikara. Tsy hisy ho tapenam-bava na dia iray aza; ny hevitra no ataovy mafonja, fa izay no lalana afahana mametraka izay tian-kajoro. Ny mitovy firehana dia efa afaka manambatra ny hery, ary ireo izay mihevitra fa (...)
  • Fizarana loka teny Iavoloha

    Maika ny fanampiana ny tantsaha

    samedi 29 novembre 2008 | Penjy R. |  471 visites
    Vita omaly teny Iavoloha ny fifaninana kaomina mendrika sy ny fifaninanana voly vary. Teny Iavoloha no nanaovana ireo lanonana roa sosona ireo, ary ny filoha Ravalomanana no nitarika izany. Mamokatra ny tantsaha hoy ny filoha rehefa omena fitaovana, ary mipetraka tsara ny fanentanana atao amin'izy ireo. Tokony hipetraka ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miainga eny amin'ny faritra tsirairay. Ho porofointsika aty amin'ny faritry ny SADC sy COMESA ary ny (...)
  • Fikambananan’ny TAXI eto andrenivohitra

    Mitaky ny hampidinana ny solika

    vendredi 28 novembre 2008 | Penjy R. |  519 visites
    Efa tafidina hatrany amin'ny 50 doalara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, mbola tsy hita veroka ny fidinan'io eto Madagasikara. Miankina amin'io vidin-tsolika io anefa ny tsena anatiny eo amin'ny mpamily fiara karetsaka. Hivondrona izy ireo ato ho ato, ka hitaky ny hampidinana ny vidin'ny solika hifanahatsahana amin'ny vidiny eo amin'ny tsena any ivelany. Zara raha misy mandeha taxi ny olona ankehitriny. Ny antony, dia tsy takatry ny mpanjifa ny sarany alain'ny mpamily. (...)
  • Fanovana Organigraman’ny kaominina

    Fahefan’ny Ben’ny tanàna izany hoy Guy Rivo Randrianarisoa

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  1016 visites
    Izay ahasoa ny tanàna no tanjona. Izay no hitan'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina fa mety eto andrenivohitra, dia zony tanteraka izany. Vao tsy ela hoy ny tale Jeneralin'ny Fitsinjarampahefana, Guy Rivo Randrianarisoa, no nivoahan'ny lalàna manome fahefana ny Ben'ny tanàna hanala ny lefiny, na ireo mpiara-miasa aminy hita fa tsy mahomby. Tsapan'ny Ben'ny tanàna eto andrenivohitra io, ka noraisiny ny fahefana rehetra. Mitovy ny Ben'ny tanàna rehetra aminy, ka tsy manana olana amin'ny eto (...)
  • Feno fako Andralanitra

    Maloto ny renivohitra

    mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  727 visites
    Tsy misy olana tsy voavaha. Anio dia efa hijery izay fomba rehetra hanalana ny fako eto andrenivohitra ny eo anivon'ny kaominina eto andrenivohitra. Misy ny olana sedraina hoy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina, dia ny hafenoan'ny fako eny Andralanitra. Na ny fiara vaventy tokony hiditra eny aza tsy afaka manao izany intsony rehefa hitatitra fako. Misy ny fijerena ny vaha-olana hainga hiarahana amin'ny manam-pahaizana vahiny, hisorohana ny fitobian'ny fako be loatra. Tsy misy olana tsy azo (...)
  • Mompera Remi Ralibera

    Nanefa ny adidiny ny fanjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  1038 visites
    Tonga niondrika teo anoloan'ny vatana mangatsiakan'i mompera Remi Ralibera ny asabotsy teo ny fitondram-panjakana. Ny Praiministra Charles Rabemananjara no nitarika azy ireo, izay samy nanamafy fa nanana ny anjara andraikitra lehibe noraisiny teto amin'ny firenena ity pretra ity. Azo ambara fa very olo-manga ny firenena. Teny niverimberina tamin'ireo olona nitsapa alahelo teny amin'ny toerana nisy ny vatana mangatsiakany izany. Ny asa fanaovan-gazety no tena nahafantarana azy, ary mahitsy (...)
  • Kaominina mendrika

    Lasan’i Toliary ny voalohany

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  659 visites
    Ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny valin'ny fifaninanana kaominina mendrika. Tao anatin'ny volana vitsy no nanaovana ity fifaninanana ity, ary tsapa fa na dia tsy dia nazava tamin'ny ankamaroan'ny ben'ny tanàna aza ny fepetra napetraka, dia niroso tamin'ny fifaninanana ihany izy ireo. Fantatra fa ny kaominina ao Toliary voalohany no hibata ny amboara voalohany. Lelavola goavana io, ary ny kaominina ao Analavory ny faharoa. Ny fahaiza-mitantanana sy ny fomba fiasa nataon'izy ireo tamin'ity (...)
  • Loholona Rabetsitonta

    Hanaovy trano ny mpiasam-panjakana

    mardi 25 novembre 2008 | Penjy R. |  708 visites
    Isan'ny olana lehibe ho an'ny mpiasa malagasy ny trano fonenana. Fangatahana ny hampidirana ao anatin'ny tetibolam-panjakana manaraka ny hanaovana trano ho an'ny mpiasam-panjakana. Io no fangatahana nataon'ny loholona Tovonanahary Rabetsitonta ny zoma teo tetsy Anosikely. Tsy zakan'ny mpiasam-panjakana intsony ny hofan-trano izay midangana andro aman'lina. Hiarahana mahita anefa ny fijaliana eo amin'ny ho enti-manana izany. Maro ny mihevitra fa ilana ny hametrahana ilay politikan'ny (...)
  • Misaona ny asa fanaovan-gazety

    Maty i mompera Remi Ralibera

    samedi 22 novembre 2008 | Penjy R. |  3365 visites
    Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly maraina tamin'ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin'ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin'ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin'ny lakroan'i Madagasikara. Efa filohan'ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon'ny FFKM izy. (...)
  • Antenimieram-pirenena

    Hajaina ny zon’ny mpiasa

    vendredi 21 novembre 2008 | Penjy R. |  706 visites
    Mitohy ny fandroahana mpiasa etsy Tsimbazaza. Omena ny zo sahaza azy ireo mpiasa ireo. Tsy manaiky lembenana ny mpiasa etsy ankilany, satria famotehana ny mpiasa Mlagasy ny tahaka izao. Mbola mitazana ny sendika misy ireto mpiasa ireto hatramin'izao. Miitatra hatrany amin'ny fandroahana ireo lohandohan'ny mpiasa mitarika fitokonana ny raharaha. Sahiran-tsaina ny mpiasa eo anatrehan'izany. 200 mahery ireo mpiasa efa noesorina. Tsy izay tombontsoa fanome ny mpiasa esorina no olana hoy ny (...)
  • Milatsaka ny orana

    Dibo-drano ny tanàna

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  920 visites
    Io ary ilay efa nolazaina. Feno rano ny arabe sy lakan-drano maro isan-karazany. Miakatra ny loto, satria tsentsina ny tatatra. Miangona ny fako, ary maloto ny tanàna. Efa maro ny fanairana natao, saingy toa tsy naha-taitra ny hafa. Mitohana ny fifamoivoizana. Mety hisy hilaza fa izay foana anie no teto e. Marina izany, fa tsy mba misy fandrosoana ve fa ny oimaly tsy miova ihany no hita eto? Inona no mba fepetra noraisina manoloana ny loto ataon'ny vahoaka manentsina ny tatatra? Toa tsy mba (...)
  • Olan’ny lahy sy ny vavy

    Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana

    jeudi 20 novembre 2008 | Penjy R. |  3618 visites
    zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan'ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin'ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko. Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin'ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny (...)
  • Mpanohitra sy Ravalomanana

    Te-hiresaka fa matikena-maso

    mercredi 19 novembre 2008 | Penjy R. |  994 visites
    Mbola miantso ny mpanohitra hatrany ny filoha Ravalomanana omaly teny Iavoloha. Henohy ny feon'izy ireo, ary aoka mba hifantoka tanteraka any amin'ny tena fampandrosoana ny resaka. Antso izay miantefa mivantana any amin'ny mpitondra ankehitriny, ny tsy hanavahana firehena amin'ny famoahan-kevitra mandritra ny loabary an-dasy eny Iavoloha io. Raha ny hita anefa, dia tsy nisy tonga teny amin'iny lapa io ny mpanohitra rehetra. Ny Otrikafo aza dia namaly fa tsy hanamafy ny fahefan'ny vahiny (...)
  • Dian’ny filoha Ravalomanana tany ivelany

    Homamiadana ny fery tsy sitrana 5 taona

    mardi 18 novembre 2008 | Penjy R. |  1525 visites
    Tonga avy any ivelany indrayny filoha Ravalomanana. Tsara ny diha hoy izy, ary maro ny firenena vahiny vonona hanampy an'i Madagasikara. Hiatrika ny loa-bary an-dasy etsy avoloha isika hoy ny filoha Ravalomanana, ka anjaran'ny rehetra ny mandinika sy mandritra ny asa tokony hanarenana ny firenena. Nomeny tsiny kosa ny fandrenesana ny tsy handraisan'ny mpanohitra anjara amin'ny laha-dinika manomboka anio eny Iavoloha. Toy izany koa ny momba ny lonilony misy eo amin'ny mpanohitra momba ny (...)
  • Mpanao politikan’Imerina

    Inona no nivorian’izy ireo teny Antsahadinta ?

    lundi 17 novembre 2008 | Penjy R. |  2495 visites
    Taitra ny Merina. Tsy ny Merina manontolo fa ireo mpanao politika eto amin'ny tanàna no tonga saina ka nanambatra ny heriny. Nahilik'izy ireo tamin'ity fikambanana ity kosa ireo mpanao politika tao amin'ny Arema teo aloha toa an-dry Harinaivo Rasamoelina sy ry Ange Andrianarisoa na dia samy avy eto afovoan-tany aza. Zanaka ben'ny tanàna teo aloha sy zanaka pasitera efa nitana andraikitra goavana tamin'ny fitondrana teo aloha, miampy vehivahy mpandraharaha tanora nilatsaka filoham-pirenena (...)
  • Raharaha 2002

    Ho avy ireo nitsoam-ponenana ?

    samedi 15 novembre 2008 | Penjy R. |  2428 visites
    Efa ela no naniry hiverina eto Madagasikara ireo nitsoam-ponenana any ivelany momba ny raharaha 2002. Tsy mbola nety anefa ny tetika, satria ingahy Pierrot Rajaonarivelo aza tsy tafiditra. Niraraka ny ivin'ny sasany any an-dafy raha nalalaka ny fidiran'i Rossy teto. Rossy izay noheverin'ny maro, fa ho raisim-potsiny raha vao migadona eto Madagasikara. Ny mifanohitra amin'izay anefa no hita, satria tsy mba isan'ireo nametraka herisetra tamin'ireny raharaha nafana teto Madagasikara farany (...)
  • Norbert Lala Ratsirahonana

    Mandinika vao mandray fepetra

    vendredi 14 novembre 2008 | Penjy R. |  1073 visites
    Tsy re firy ny tenako amin'ny fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena. Antony, dia mitazana ny fomba fiasan'ny fitondrana aho. Eo no hitsaranay ny asa vitany. Ilaina ny mangina, sao hambara fa mamingana ny fandaharan'asan'ny fanjakana. Aorian'ny fahitana ny asa nataon'ny mpitondra vao manapaka hevitra. Io no nambaran'ingahy Norbert Lala Ratsirahonana omaly raha sendra ny mpanao gazety. Tsy mba fomban'ny antoko misy anay ny mitabataba mialoha, nefa ny ilay olona mbola eo an-dàlam-piasany. (...)
  • Asan-jiolahy etsy sy eroa

    Manjaka ny basy vita gasy

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  679 visites
    Mahazo vahana indray ankehitriny ny basy vita gasy ampiasain'ireo andian-jiolahy maro eto amintsika. Porofon'io ny fahitana ireo olon-dratsy voatifitry ny mpitandro ny filaminana ahiatana itony basy vita gasy itony. Mihorohoro ny mponina, satria ankoatry ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay ampiasain'ireo olon-dratsy, dia ity fitaovana vita gasy ity indray no eny ambalahan'ireto olon-dratsy. Maro no efa tratra, saingy mbola misy ny mampiasa izany. Tambazotra goavana noho izany no fantatra (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS