Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h10
 

Malagasy

Lalana hifehy ny antoko politika

Be ny miandry fampiavanam-pirenena

lundi 1er décembre 2008 | Penjy R.

Lalana hifehy ny antoko politika Be ny miandry fampiavanam-pirenena Tonga ilay nandrasana. Hiroso amin’ny sata hifehy ny antoko politika isika eto Madagasikara. Ny fanjakana no hitarika izany, ary handray anjara avokoa ireo hambara fa antoko politika mahatratra 187 eto Madagasikara. Tsy hisy ho tapenam-bava na dia iray aza ; ny hevitra no ataovy mafonja, fa izay no lalana afahana mametraka izay tian-kajoro. Ny mitovy firehana dia efa afaka manambatra ny hery, ary ireo izay mihevitra fa mahaleotena, dia afaka mitondra ny azy ao anatin’ny fivoriambe izay atao atsy ho atsy. Ny tsy mbola fantatra, dia ny mety handraisan’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny sosiete sivily, ny Kmf/Cnoe, ary ny FFKM anjara ao anatin’ity fivoriana ity.

Manana ny anjara toerany lehibe ireo eo amin’ny fiainam-pirenena, ka tsy tokony atosi-bohon-tanana. Nanana ny heviny izy ireo teo amin’ny fanehoana ny raharaham-pirenena, ary iaraha-mahalala ny sehatra nisy azy ireo teo amin’ny politika teto Madagasikara. Fampihavanam-pirenena Re koa izao, fa maro ireo antoko politika avy aty amin’ny fanoherana no mikaon-doha sahady ny tokony hampidirana ny fampihavanam-pirenena.

Misy ny milaza fa tsy ny raharahara 2002 ihany no tokony hanaovana izany fa ny zava-nisy rehetra hatramin’izay. Tsy vitsy anefa ny nanambara fa ny raharaha farany nitranga teto enin-taona lasa izay no ilana fandinihana mba tsy hisian’ny valifaty politika eto Madagasikara. Aorian’io hoy ny antoko mpanohitra sasany eto amintsika vao miroso amin’ny fandinihana ny sata hifehy ny antoko politika. Te-hody antanindrazana Tsapa hatreto, fa misy antoko te-hamerina ireo Malagasy nitsoam-ponenana any ivelany tao aorian’ireny raharaha 2002 ireny.

Tao ho ao, dia hita fa tsy nitsahatra niditra mivantana tamin’ny haino aman-jery teto ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier. Nandeha ny feo fa maniry ny hody eto andanindrazana ireo nitsoaka matanjaka any ivelany ireo. Hanaiky izany ve anefa ny fitondrana ankehitriny ? Tsaroan’ny maro tsara ny fikasana hiverenanan’ingahy Pierrot Rajaonarivelo teto Madagasikara ny taona 2006 ireny. Nosakanan’ny fitondrana ankehitriny tsy hanitsaka ity nosy ity ny lehilahy tamin’ny fomba rehetra. Manana ny fandaharan’asany izay apetrany nefa ny fanjakana, ary manana ny azy ihany koa ny mpanao politika hanatrika ity fivoriana eny Ivaloha ity. Ho tafiditra ao anatin’ny fivoriana ihany ve ireo voalaza farany ireny ? Ny sata hifehy ny antoko no nambaran’ny filoha Ravalomanana hatao, nefa mihitatra sahady ny fanirian’ny hafa hanao ilay fampihavanam-pirenena sy ny hiverenan’iretsy nitsoaka any ivelany eto amintsika. Inona tokoa moa no maharatsy izany ? Sa mety hanelingelina ny fiandrianam-pirenena ny fodian’izy ireo eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS