Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Loholona Rabetsitonta

Hanaovy trano ny mpiasam-panjakana

mardi 25 novembre 2008 | Penjy R.

Isan’ny olana lehibe ho an’ny mpiasa malagasy ny trano fonenana. Fangatahana ny hampidirana ao anatin’ny tetibolam-panjakana manaraka ny hanaovana trano ho an’ny mpiasam-panjakana.
Io no fangatahana nataon’ny loholona Tovonanahary Rabetsitonta ny zoma teo tetsy Anosikely.

Tsy zakan’ny mpiasam-panjakana intsony ny hofan-trano izay midangana andro aman’lina. Hiarahana mahita anefa ny fijaliana eo amin’ny ho enti-manana izany. Maro ny mihevitra fa ilana ny hametrahana ilay politikan’ny fanaovan-trano. Hampihena ny fahantrana eto amintsika ny fisian’io, satria mba afaka hiaina toy ny olona rehetra ny mpiasa malagasy.
Hatreto aloha, dia mbola i mompera Pedro ihany no tena misongadina eo amin’ny fitsimbinana ny vahoaka madinika. Olon-tsotra nefa afaka manangana trano amin’arivo. Trano heverina fa manara-penitra ho an’ireo vahoaka sahirana tamin’ny fiainana.

Inona no sakana tsy ahavita toy izany manerana ny faritra 22 eto Madagasikara ? Ingahy loholona Rabetsintonta dia nilaza mazava fa fepetra tokony hapetraka eto haingana ity fanorenan-trano ho an’ny mpiasa ity. Asa aloha na ho tonga any amin’ireo mpanan-tanteraka izany na tsia.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS