Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 03h38
 

Malagasy

Kaominina mendrika

Lasan’i Toliary ny voalohany

mardi 25 novembre 2008 | Penjy R.

Ny alarobia ho avy izao no hivoaka ny valin’ny fifaninanana kaominina mendrika. Tao anatin’ny volana vitsy no nanaovana ity fifaninanana ity, ary tsapa fa na dia tsy dia nazava tamin’ny ankamaroan’ny ben’ny tanàna aza ny fepetra napetraka, dia niroso tamin’ny fifaninanana ihany izy ireo.
Fantatra fa ny kaominina ao Toliary voalohany no hibata ny amboara voalohany. Lelavola goavana io, ary ny kaominina ao Analavory ny faharoa. Ny fahaiza-mitantanana sy ny fomba fiasa nataon’izy ireo tamin’ity taona ity no nitsarana azy. Ny fomba fampidiram-bola sy ny fahadiovana ihany koa dia isan’ireo tafiditra tao anatin’ity fifaninanana ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS