Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h57
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Nankaiza ny Tanteliko teto ?

    mardi 17 juillet 2007 | Penjy R. |  261 visites
    Raha nisy firenena nanaiky voalohany izao fanjakana mijoro izao ny taona 2002, dia raha tsy voalohany dia faharoa ny Soisa, ary azo heverina fa manga ny lanitra teo amin’ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta raha tsy hiteny ny asa goavana atsy Moramanga isika. Nitobaka ny vola ary nahazo asa ny Malagasy, ka heverina fa ankoatra ny fitrandrahana fasi-mainty any Tolagnaro, dia mba isan’ny nampahazo aina ny Ariary ny vola vahiny miasa ao Moramanga. Re anefa fa mety ho tapaka ny fiaraha-miasa (...)
  • Mitsitokotoko

    vendredi 13 juillet 2007 | Penjy R. |  201 visites
    Ny hevitra dia mitovy fa ny fanehoana izany no samy hafa. Io no hita amin’ny ataon’ny antoko Politika sy ny fikambanana maro eto amintsika raha tsy hiteny afa-tsy ny tokony hanovàna ny lalam-pifidianana, ny sehatra tsy miankina no hitantanana izany fifidianana izany. Ilaina ny famotsoran-keloka politika ary tokony hisy ny famelana ny rehetra haneho hevitra an-kalalahana, fa tsy sanatria ho gadraina izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Latsaka an-kady ny firenena ka ny 58 % ny gasy no miaina ao (...)
  • Aiza ny lohany ?

    jeudi 12 juillet 2007 | Penjy R. |  218 visites
    Ny hasin-drazana mihitsy no voatohintohina raha nahita ilay fangalarana taolam-paty sy ny razana iray manontolo tao am-pasana tany amin’iny faritry Toliara iny, ary mbola nandefasana osy mainty indray tao anatin’izany fasana izany. Toetra tsy dia fahita firy nataon’ny Malagasy tany aloha io, noho ny maha-zava-dehibe loatra izany razana izany, saingy indrisy fa mahazo vahana amin’izao taon-jato iainan-tsika izao. Tsy tany Toliara ihany, fa manerana ny faritra maro eto Madagasikara no ahitana (...)
  • Velona dia maty

    lundi 9 juillet 2007 | Penjy R. |  146 visites
    Endrika iray tsy dia nanomezan’ny vahoaka lanja ny mpanao Politika ny fivadihana palitao lava, ka toa tsy ny foto-kevitra intsony no mibaiko, fa ny ho lasa lohany eo amin’ny fitantanana. 170 mahery no voalaza fa antoko misy eto, ary dia mbola misy ihany no mipoitra amin’izao fotoana izao, ka ny eo ihany anefa no mivadibadika raha ny fijery azy. Tsy misy olom-baovao tahaka ny anaran’ny antoko vao mipoitra izy ireo, fa rehefa reradreraka ilay fikambanana nisy ny tena, dia lasa indray mivadika any (...)
  • Foto-kevitra matsatso

    mercredi 4 juillet 2007 | Penjy R. |  179 visites
    Tsy nisy antoko natanjaka ka tsy voazarazara sy niady an-trano teto amintsika raha ny tantara no asian-teny, ka rariny tokoa raha nampiharina teto amin’ny firenena ilay « etika Politika » nataon’ny antoko Leader Fanilo tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena taona maro lasa izay. Tsy tafapetraka ve ny foto-kevitry ny antoko sa manjaka loatra ny herin’ny vola ? Niainga tamin’ny atoko PSD izay niteraka RPSD tato afara, ary io nanan-jafikely ho RPSD vaovao io ankehitriny. Ny (...)
  • Tsy masina an-taniny

    mardi 3 juillet 2007 | Penjy R. |  177 visites
    Vita fety tokoa angamba ka mifantoka any amin’ny fiainam-pirenena amin’izay ny mason’ny besinimaro, raha tsy hiteny afa-tsy ny zava-misy any Fianarantsoa isika. Tsy nitazam-potsiny ny zava-manjo an-dramatoa Ialy Rakotoniaina intsony ny mpikambana ao amin’ny « Tambatra » manerana ny faritra maro, ka mivonona ny tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny atao amin’ny filohan’ity fikambanana ity sy ny vadiny. Raha ny fantatra dia hisy fihaonana haingana hataon’ireo mpitarika mbola tsy voasambotra ato ho ato (...)
  • Manadio kianja

    lundi 2 juillet 2007 | Penjy R. |  178 visites
    Eo am-pandrafetana ny daty hanaovana ny fifidianana izao ny Governemanta araka ny nambaran'ny Praiministra farany teo tetsy Tsimbazaza, ary azo antoka fa ity taona ity dia hisy fifidianana telo raha kely indrindra. Ny daty dia mbola any an-kibon'ny omby kanefa nanaitra ny maro ireo te-handray fahefana, izay tsy mba zatra miseho vahoaka lasa nanakaiky azy ireny haingana. Ohatra amin'izany ny fahitana depiote maro miara-mitakosona tampoka amin'ny mponina, ka raha ny fetin'ny fahaleovan-tena (...)
  • Nankaiza, ary aiza ?

    samedi 30 juin 2007 | Penjy R. |  195 visites
    Fanontaniana tsy tokony hipetraka, kanefa heno ombieny io, raha mahita ny zava-misy ankehitriny isika rehetra. Tsy resaka fanarabiana, fa kosa fampatsiarovan-tena ho an’ny tsirairay mba tsy ho tohatra isika rehetra any aoriana. Nitolona ny SMM izay andry iankinan’ny fahafahan’ny meloka sy ny hafa, ka nahatonga ilay didy fampiarana tampoka ary natovana tao anaty lalàmpanorenana fa ho tampahana ny karaman’ireo mpiasa izay hita fa mitokona. Ny Seces Izay nanana ny heriny hatramin’izay, mby aiza (...)
  • Ahitsio raha diso

    vendredi 29 juin 2007 | Penjy R. |  210 visites
    Manembon-dava ny andro taloha ny ankamaroan’ny vahoaka mbola miaina eto an-tanindrazana ankehitrio, ary na izao fitondrana be mpanan-kiana izao aza dia mety ho fahatsiarovana volamena ho an’ny sasany atsy ho atsy. Marina io, satria matoa naongana ny fitondran’i dadabe Tsiranana dia nisy fiheverana ho tsy nahomby tao. Ny Politikan’ny kibo no tarigetrany tamin’izany. Niongana izy ny taona 72 na dia maro aza no nihevitra fa nahavita zavatra maro ity olom-boafidy ity, isan’io ny « cite » maro (...)
  • Mangidy mafaitra

    jeudi 21 juin 2007 | Penjy R. |  220 visites
    Mitombina ihany ny tenin’ilay mpanao hatsikana iray izay, milaza fa ny mpanao baolina gasy mihitsy no tsy mahay, ka aoka tsy ahilika any amin’ny federasiona na ihany koa ny mpanazatra ny raharaha. Toa mitombina ihany koa io raha atao jery todika amin’ny ankapobeny, satria toa samy manao izay ho vitany ny mpikarakara fa ny erijika hananan’ny mpilalao no tsy ao. Vita iny ny fiatrehana ny CAN 2008, fa ny lalaon’ny nosy indray izao banjinina. Inona no ho vitan’ireto mpilalao tantanim-bazaha tsy ampy (...)
  • Tsy ampy saina

    samedi 16 juin 2007 | Penjy R. |  190 visites
    Manakaiky ny Fetin'ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena tsy sarin-tsariny fa tena fahaleovan-tena madio mangarahara. Tsy asiana resabe eto ny ny teny mandeha hoe manana ny fahaleovan-tenany tokoa ve ny Malagasy sa mbola voazanaka na amin'ny endriny mivantana na ankolaka. Andro vitsy sisa hisaina dia higadona io vanin'andro manan-tantara io, kanefa mbola vitsy no manangana ireny sainam-pirenena ireny. Tsy fantatry ny Gasy ve ny tena antony hananganana azy (...)
  • Tohizo ny lalantsika

    mercredi 13 juin 2007 | Penjy R. |  177 visites
    Na dia nitohana izay tsy izy ary ny fiarakodia nihazo ny lalana mankany Ivato sy hiazo aty andrenivohitra, dia tsy sarotiny ny maro, satria ho tohizana ny lalantsika. Teny faneva nataon’izao fitondrana izao io, ary dia io hiarahana mahita io ny ezaka ato, ka isan’izany ny tetezana etsy Ambodimita. Ny mampalahelo fotsiny, dia adin’ny telo vao afaka miampita amin’io lalana io ny fiara ka maro no tara amin’ny fidirana na an-tsekoly io na ihany koa any amin’ny toeram-piasana. Mety ho voaroaka amin’ny (...)
  • Iza indray no esorina ?

    mardi 5 juin 2007 | Penjy R. |  179 visites
    Tsy resy am-boninahitra fa tamin’ny fahafaham-baraka ny Barean’i Madagasikara raha nanao ny lalao miverina tany Cote d’Ivoire farany teo, satria 5 sy aotra no nisarahana. Tsy asiana resa-be hilazana hoe efa mpilalao maty hanina avokoa anie ireo nifanandrina tamintsika ka rariny raha resy isika e. Tsy vaha-olana izany satria manao dia mitetika fandresena. Koa raha manantena faharesena lava izao ve tsy aleo mipirina toy izay hanala-baraka tena lava izao ? Dia iza indray izany izao no esorina (...)
  • Hetsiky ny mpianatra

    Meteza ho eo ambanin’ny lalàna hoy ny Teza

    lundi 30 avril 2007 | Penjy R. |  213 visites
    Miditra amin'ny fanehoan-kevitra momba ireo hetsika miseho lany eto amintsika ry zareo Teza izay tarihan'ingahy Moxe Ramandimbilahatra. Mankasitraka ny fanoherana ataon'ny ankolafin-kery samy hafa ny tenany, satria efa tao anatin'ny fanoherana nandritra ny fotoana maro ny Teza, saingy aoka ahatsapa ny rehetra fa misy lalàna mifehy azy ity firenena ity. Momba ireo mpianatra manao fihetsiketsehana momba ny resaka delestazy, dia manao antso avo ingahy Moxe Ramandimbilahatra ny tokony hisian'ny (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS