Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza, ary aiza ?

samedi 30 juin 2007 | Penjy R.

Fanontaniana tsy tokony hipetraka, kanefa heno ombieny io, raha mahita ny zava-misy ankehitriny isika rehetra. Tsy resaka fanarabiana, fa kosa fampatsiarovan-tena ho an’ny tsirairay mba tsy ho tohatra isika rehetra any aoriana.

Nitolona ny SMM izay andry iankinan’ny fahafahan’ny meloka sy ny hafa, ka nahatonga ilay didy fampiarana tampoka ary natovana tao anaty lalàmpanorenana fa ho tampahana ny karaman’ireo mpiasa izay hita fa mitokona. Ny Seces Izay nanana ny heriny hatramin’izay, mby aiza ho aiza ankehitriny ? Mafana fo avokoa ireo nilaza fa mpiaro ny zon’ny mpampianatra mpikaroka, kanefa rehefa notapahan’ingahy filoha toa nangina. Ireo karama notapahana ve efa tafaverina amin’ny laoniny ankehitriny ? Nahoana no mangina ireo mpitarika ? Saika isan’andro no andrenesana ny tolona nataon’ireto maherifontsika ireto saingy lefy ilay hafanam-po diso tafahoatra tany am-panomboana. Koa tsy naleo ve tsy nitolona hoy ny hafa ?

Tsy mahagaga raha leon’ny mpanao Politika sy ny mpitari-tolona miseho homafana fo ny Malagasy, saingy moa ve voafehin’izy ireo ny fitokonana nataony ka nampangidy hoditra ny vahoaka tsy mandady harona ? Inona no fahafaham-po omena ireo olona notaritina hidina an-dàlam-be, kanefa tratry ny fanampahana karama, na ihany koa nampidirina am-ponja ? Aza gaga isika raha tsy maha-sarika olona intsony ny fanentam-bahoaka ataon’ireo miseho ho mahay, ka ny tahaka izao no maha-tonga nyfiloha sy ny ekipany tsy hanome voninahitra ho anareo, satria hay…, dia efa mampangina ny vava. Samia mieritreritra isika mianankavy. Nankaiza, ary aiza no hiafaran’izao rehetra izao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS