Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h45
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy masina an-taniny

mardi 3 juillet 2007 | Penjy R.

Vita fety tokoa angamba ka mifantoka any amin’ny fiainam-pirenena amin’izay ny mason’ny besinimaro, raha tsy hiteny afa-tsy ny zava-misy any Fianarantsoa isika. Tsy nitazam-potsiny ny zava-manjo an-dramatoa Ialy Rakotoniaina intsony ny mpikambana ao amin’ny « Tambatra » manerana ny faritra maro, ka mivonona ny tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny atao amin’ny filohan’ity fikambanana ity sy ny vadiny. Raha ny fantatra dia hisy fihaonana haingana hataon’ireo mpitarika mbola tsy voasambotra ato ho ato handinihana izay heverina hatao, satria raha mitohy ny fisamborana ireo mpikambana, dia manahy ny mety ho lany tamingana ity fikambanana ity. Etsy ankilany dia efa nanomboka ny fitakiana ny amoahana an’i Ialy Rakotoniaina ny mponina tany Sambava ny sabotsy lasa teo, ary mihevitra ny hanao toy izany koa ny ao Fianarantsoa. Ankilan’io anefa dia mandeha ny resaka fa mety hafindra aty amin’ny fonja eto an-drenivohitra itsy farany ? Raha izay no marina dia mandeha ny feo hoe « tsy masina an-taniny » ve izany ramatoa ka aleo hafindra toerana ? Na ny nanao ny famotorana ihany koa aza anie ka mpanao fanadihadiana manokana avy aty an-drenivohitra no nafarana satria mbola tsy masina an-taniny angaha ny mpanao fanadihadiana ao Fianarantsoa ? Misy tsiambaratelony anefa ny famotorana ka izay no mety nahatonga ireo. Fanambarana avokoa aloha no hita ataon’ny fikambanana isan-karazany tsy mankasitraka ny ambara fa fihetsiky ny fitondrana amin’ny fanagadrana olona, fa raha ny hetsika toy ny taloha tetsy amin’ny kianjan’i 13 Mey ireny, dia efa nalevina im-pito mandifitr’olona, satria leon’ny migadra angamba ny rehetra ka aleo mitandrina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS