Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Teny zato, kabary arivo

Foto-kevitra matsatso

mercredi 4 juillet 2007 | Penjy R.

Tsy nisy antoko natanjaka ka tsy voazarazara sy niady an-trano teto amintsika raha ny tantara no asian-teny, ka rariny tokoa raha nampiharina teto amin’ny firenena ilay « etika Politika » nataon’ny antoko Leader Fanilo tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahan-tena taona maro lasa izay.

Tsy tafapetraka ve ny foto-kevitry ny antoko sa manjaka loatra ny herin’ny vola ? Niainga tamin’ny atoko PSD izay niteraka RPSD tato afara, ary io nanan-jafikely ho RPSD vaovao io ankehitriny. Ny antoko AKFM izay nanana ny foto-keviny hatramin’izao, kanefa io efa iarahana mijery io ny AKFM fanavaozana. Ny MFM sy ny MONIMA, izay tsy zoviana amintsika intsony ny foto-kevitry ny mpikambana tao aminy, nefa nisy ny nanao Tambatra ary maro no nivadika ho TIM. Ny Arema moa dia tsy ho tenenina intsony ny Ratsirakista sy Pierroiste, ary nanaraka hatrany amin’izany Arema matotra izany mihitsy. Antoko maro no mijoro eto, kanefa hatraiza no misy azy ireny raha mahita ny fivadiky ny baolina ka toa zary manara-drenirano lava izao ?

Io hiarahana mahita io indray ny ataon’i Tiako i Madagasikara, izay izy mianakavy ihany no manangana fahavalo hanapotika ny fitondrana izay misy azy. Ahoana tokoa moa no inoan’ny saina fa antoko mpifanandrina hatry ny ela no mitambatra iray ho mpanohana mafana fo ny filoha amperin’asa ? Taiza avy no niavian’ireo olon’ny TIM ireo, ary moa ve ny tsirairay mba mahatsapa fa ny antoko niforetany nandritra ny taona maro aza anie ka navadiny tao anatin’ny fotoana fohy satria nahita ny TIM ho be vola sy tompon’ny fahefana ry zalahy sy zavavy ka nanary ny akoho taman-trano e. Koa aza gaga raha mikorotana tahaka izao ianareo TIM satria « foto-kevitra matsatso » no be ao, ka anjakan’ny korontana lava. Raha nahay nampandroso ny antoko nisy azy ireo mikambana ao amin’ny TIM ireo dia tsy ho toa izao no nisy ny antoko nijoroany teo aloha, fa io ilay antsoin’ny maro hoe « tsy mijapy soavaly maty e ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS