Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h18
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy ampy saina

samedi 16 juin 2007 | Penjy R.

Manakaiky ny Fetin’ny fahaleovan-tena eto amintsika izay mariky ny fiandrianam-pirenena tsy sarin-tsariny fa tena fahaleovan-tena madio mangarahara. Tsy asiana resabe eto ny ny teny mandeha hoe manana ny fahaleovan-tenany tokoa ve ny Malagasy sa mbola voazanaka na amin’ny endriny mivantana na ankolaka.

Andro vitsy sisa hisaina dia higadona io vanin’andro manan-tantara io, kanefa mbola vitsy no manangana ireny sainam-pirenena ireny. Tsy fantatry ny Gasy ve ny tena antony hananganana azy io, sa isika mihitsy no tsy ampy saina ka na maro aza ireo mivarotra izany dia aleo mihafy tsy mividy fa sitran’ny ahay hividianana sakafo araky ny fomba mahazatra ? Ekena fa mafy ny fiainana, saingy amidy amin’ny vidiny mora ireny sainam-pirenena ireny ka rariny raha izao dia samy manangana izany ny isa-tokantrano. Tsy ho isan-taona ihany koa no mividy izany saina izany fa azo atao tsara ny mitahiry izay efa teo am-pelan-tanana. Nahoana no mideradera isika rehefa tonga ny fotoam-pifidianana manofahofa ireny fanevan’ny kandida isan-karazany ireny, nefa rehefa fetin’ny fahaleovan-tena no hinia hangina ? Samia mieritreritra fa tanindrazana iombonana no eto fa tsy sanatria olona iray no tsy tiana ka ny saina mariky ny fahaleovan-tena no tsy hatsangana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS