Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h20
 

Malagasy

Hetsiky ny mpianatra

Meteza ho eo ambanin’ny lalàna hoy ny Teza

lundi 30 avril 2007 | Penjy R.

Miditra amin’ny fanehoan-kevitra momba ireo hetsika miseho lany eto amintsika ry zareo Teza izay tarihan’ingahy Moxe Ramandimbilahatra.

Mankasitraka ny fanoherana ataon’ny ankolafin-kery samy hafa ny tenany, satria efa tao anatin’ny fanoherana nandritra ny fotoana maro ny Teza, saingy aoka ahatsapa ny rehetra fa misy lalàna mifehy azy ity firenena ity. Momba ireo mpianatra manao fihetsiketsehana momba ny resaka delestazy, dia manao antso avo ingahy Moxe Ramandimbilahatra ny tokony hisian’ny fifanatonana haingana eo amin’ny ministera miahy ity sehatra momba ny Jirama ity sy ny solontenan’ny mpianatra, hanadihadiana lalina ny mety ho fisorohana ny olana. Ny Teza dia mahita koa anefa amin’ireo Oniversite honenan’ny mpianatra ireny, fa misy olona tsy mpianatra misintona Jiro amin’ireo trano ireo, ka izay no mila fandraisana andraikitra ho an’ny rehetra na mpianatra na mpampianatra sy ny mpandraharaha, ary ny ministera ka atao am-pahatoniana.

Momba ny fidiran’ny mpanao politika amin’ny tolon’ny mpianatra dia mahatsapa ity antoko ity fa tsy adala ny mpianatra ka hanaiky ho lalaovin’ny mpanao politika. Aleo ireny antoko ireny hitrandraka izay hetsika ho ataony, satria tany demokratika isika ka zon’ny rehetra ny mitrandraka izay fitakiana ataony fa tsy hoe rehefa tsy mahomby ny hetsika nataon’ireo mpitarika politika dia ny hetsiky ny mpianatra no saviliana.

Ny Teza tsy mpamono afo na mpandrehitra, na hilaza hoe mihetseha na aza mihetsika fa aoka samy ahatsapa ny rehetra fa misy lalàna mifehy ny zavatra rehetra eto amin’ny firenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS