Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h14
 

Teny zato, kabary arivo

Manadio kianja

lundi 2 juillet 2007 |  178 visites  | Penjy R.

Eo am-pandrafetana ny daty hanaovana ny fifidianana izao ny Governemanta araka ny nambaran’ny Praiministra farany teo tetsy Tsimbazaza, ary azo antoka fa ity taona ity dia hisy fifidianana telo raha kely indrindra. Ny daty dia mbola any an-kibon’ny omby kanefa nanaitra ny maro ireo te-handray fahefana, izay tsy mba zatra miseho vahoaka lasa nanakaiky azy ireny haingana. Ohatra amin’izany ny fahitana depiote maro miara-mitakosona tampoka amin’ny mponina, ka raha ny fetin’ny fahaleovan-tena farany teo no asian-dresaka, dia tsy vitsy no nanolotra arendrina, sy nizara vary iray kilao sy hena fahefany ho an’olona eo amin’ny dimanjato eo ho eo. « Fanaonay isan-taona izao » hoy ireto olom-boafidy nikabary ireto, « ary aoka ianareo vahoaka mba ahatsiaro ny soa ataonay olom-boafidy aminareo ».

Dia gaga ny rehetra fa hay ve asiana tambiny ity fanomezana ity e ? Ho avy ny fitsaram-bahoaka amin’ny latsa-bato, ka izay no mahatonga ny hafa manadio ny kianja haingana, sao aloam-bahoaka ka ho very ilay fahefana sy ny fihinanana. Ny manome fanampiana tsara, saingy ny mampalahelo dia ny fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sahady. Sa matin-kanin-kely tokoa ny olona ka voavidin’ny arendrina sy ny vary iray kilao ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024